Ho lasa zanatany israelianina indray i Gasikara!

«Rafi-panjanahana vaovao io kasaina apetraka eto io»


  • Zoma 30 Mey 2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

ho azy ireo 60.000 hektara io no mipetraka ary ny fantatra dia ny tany eto amintsika no fitaovam-pamokarana isan’ny ratsy tantana indrindra, hoy ny filohan’ny antoko politika Teza, Jean Louis Rakotoamboa. Araraotin’ny fitondràm-panjakàna izany hahafahany mampanofa azy an-kolaka na mivantana amin’ny vahiny, hoy izy. Ailika izany izao ny olona rehetra tandrifin’io toerana omena amokaran’ny israelianina io na atao mpikarama an’ady sahala amin’ny mpikarama varimasaka. Izany ve no fampandrosoana eto Madagasikara? Ny fiharian-karena any ambanivohitra izao dia fiharian-karena maty antoka lava. Amin’io fisiana tetikasa miaraka amin’ny israelianina ireo, raha ny tokony ho izy, dia rafi-piaraha-miombon’antoka no atao. Fiaraha-miombon’antoka miaraka amin’ny tantsaha fa tsy hoe ailika ny tantsaha eto amintsika dia atao mpiasa izy avy eo. Raha tiana ho roahina dia roahina. Raha tiana ho tazonina dia tazonina. «Colon» na mpanjanatany no manao izany. tamin’ny andron’ny mpanjanatany dia maka ny tany ny «Colon» tany amin’iny faritr’i Bongolava iny, ny taty Sakay, iny Atsimo atsinanana iny. Alainy ilay tany dia tsy manofa akory fa mampiasa dia avy eo indray ilay gasy indray no botoiny hanao asa tana-maro hiady ny voanjony sy sahala amin’izany. Rafi-panjanahana vaovao io kasain’ny israelianina apetraka eto io. Mila mihetsika isika tantsaha eny ambanivohitra. Tsy mila manaiky lembenana mihitsy. Raha ny tokony ho izy, ny gasy eto no omena haitao tekinika, famatsiam-bola, ary asiana tantsoroka ho lasa mpamokatra matihanina fa tsy hampiditra orinasa hafa avy any ivelany hamokatra eto hahazoany tombom-barotra dia ianao ataony mpiasa fotsiny. Tsy mety intsony izany, hoy hatrany ny antoko politika Teza.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT