Politique

Ho kandidam-panjakana Manomboka hifandrotehana


  • Talata 06 Aogositra 2019

Matetika no hisiana adivarotra politika samihafa any anatin’ny antoko lehibe rehefa mandalo fifidianana satria zava-dehibe ny fitondrana ny anaran’ny lokon’ny antoko sokajiana ho goavana ary ambony kokoa ny herijika ho lany.

 

Mety hiteraka olana anatin’ny antoko io raha tsy mipetraka ny fifandaminana satria mety samy mahatoky tena ho lany. Anisan’ny nahatarafana izany ireny fifidianana depiote lasa teo ireny. Hiditra amin’ny fifidianana ben’ny tanàna indray isika ato ho ato, ka isisihana ny hitondrana ny anarana sy lokon’ny antoko na vondron’antoko sokajiana ho lehibe. Ny ho kandidan’ny antoko na vondron’antoko mpanohana ny fitondrana indray izao no hisisihana mafy, ary efa hita taratra izany tamin’ny fifidianana depiote teo, ka nisy mihitsy no avy tany amin’ny antoko hafa no namadika palitao. Raikitra ihany koa ankehitriny ny fangatahana ho kandidan’ny vovonana IRD toy ny ataon-dRtoa Clémence Raharinirina, izay nilaza fa ho kandida eto Antananarivo Renivohitra. Misy amin’ireo hafa nilaza ho kandida ihany koa tsikaritra ho manao pi-maso amin’ny filoha. Lojika ny tahaka izany satria hita miharihary eto ny tsy fitovian’ny herijika eo amin’ny kandida sy ny endriky ny fikarakarana fifidianana. Manana tombondahiny ny kandidam-panjakana amin’ny resa-bola satria miharihary ny fampiasam-bola be. Mahazo fanohanana mivantana sy ankolaka avy amin’ny mpitondra fanjakana, ary ireny niaraha-nahita ireny fa ny filoham-pirenena mihitsy no midina an-tsehatra nanao propagandy an-kolaka tamin’ny fifidianana depiote. Mandaitra amin’ny ampahany amin’ny Malagasy ny resaka kitolotolotra na fizaram-bola hifidianana ny safidiny, izay mila resena. Foto-kevitra sy vinam-piarahamonina no zava-dehibe sy tokony hisafidianana olona iray, ary tsy tokony ho sodokan’ny zavatra kely tsy mahavita taona. Tsy hanana tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka intsony rahateo ny olom-boafidy ary tsy hanana henamaso amin’ireo nifidy azy, rehefa nandray vola na zavatra tsy dia mankaiza akory ny olom-pirenena.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT