Ho fantatra anio ny PAN ! Hiala ny governemanta…

Mangotraka ny ady varotra sy fiaron-tseza…


  • Talata 09 Jolay 2024

Miditra an-tsehatra manomboka anio 09 jolay 2024 ny Antenimierampirenena amin’ny endriny vaovao,

taorian’ny fanambarana ofisialy ny voka-pifidianana ny 27 jona lasa teo. Andrasana anio araka izany ny endrika vaovao hisehoan’ny Birao maharitra eo anivon’ity Andrim-panjakana mpanao lalàna ity. Samy miandry izany ny rehetra hoe : iza amin’izay ary no ho Filohan’ny Antenimierampirenena vaovao ? Ho iray amin’ireo anarana efa nandehandeha niainga tao anaty etamazaoro politikan’ny fitondrana sa hiova ? Anarana 4 no efa nalaza tato ho ato : Sahondrarimalalala Marie Michelle, Tokely Justin, Milavonjy Philobert, Rivotiana Jean Bosco. Hijanona amin’ny iray amin’ireo sa mety ho tafiditra ao anatin’izany ireo hafa toa ny Minisitra teo aloha Imbiki Herilaza izay voalaza fa mety hatao Filoha lefitra ho an’ny Faritanin’i Toamasina na koa i Tinoka Roberto efa minisitra teo aloha ? Mifanindran-dàlana amin’io, dia andrasana ihany koa mazava ho azy ny fametraham-pialan’ny Praiminisitra sy ny governemanta ankehitriny, izay misy toerana banga miisa 7 rahateo. Mbola hiatrika ny fihaonana « chine-Afrique » any Gouangzou Atoa Ntsay Christian anio sy rahampitso, ka aorian’izay izany ny fametraham-pialana. Tsy maintsy hiainga avy amin’ny Vondrona parlemantera manana ny maro an’isa eo anivon’ny Antenimierampirenena ny fanolorana ny anaran’ny Praiminisitra vaovao, araka ny andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenana, izany hoe : ny IRD mazava ho azy. Mbola ho voatazona ny Praiminisitra ankehitriny Ntsay Christian izay efa 6 taona no teo sa hiova amin’izay ny pejy ? Ho lasa Praiminisitra amin’izay ve ny Minisitra teo aloha Fienena Richard izay voafidy ho depiote an’i Imanja indray ? Ity farany izay olona akaiky an’ireo hery ara-toekerana mifehy ny tontolon’ny solika eto Madagasikara. Sa hakarina ho Praiminisitra ny Minisitry ny fitaterana Atoa Valery Ramonjavelo izay efa Sekretera Jeneralin’ny Fiadidian’ny Repoblika teo aloha. Izy mirahalahy ireo izay tsiahivina fa samy tao anatin’ny MMM niara-dia tamin’Atoa Hajo Andrianainarivelo no nikisaka. Sa mety ho lasa praiminisitra ihany koa Atoa Maharante Jean De Dieu governoran’i Toliara fahiny, mpahay lalàna, isan’ireo niara-dia tamin’i Andry Rajoelina tamin’ny tetezamita, lasa HVM ary voatery niala teto taorian’ny fifidianana 2019, avy eo nody, ary iny lasa kandida depiote IRMAR lisitra faharoa tao Toliara iny ? Sa kosa ho lasan-dRtoa Sahondrarimalala Marie Michelle dia omena olon-kafa ny filohan’ny antenimierampirenena ? Tombanana ho mbola hangotraka ny fanaisorana an’Atoa Ntsay Christian eo, raha ny tombatombana politika mandeha. Hamotsotra azy ve ireo heverina fa hery ara-toekerana sy ara-politika miaro azy ?
HANAO AHOANA NY HO FIRAFITRY NY GOVERNEMANTA ?
Andrasana ihany koa ny mety ho endriky ny governemanta izay tokony ho taratry ny fifandanjan-kery eo anivon’ny Antenimierampirenena. Efa nisy ny fanambarana nataon’ireo tsy miankina nolazaina fa 45 manohana ny fitondrana, izay heverina sy tombanana fa kajy politika iarahana amin’ny fitondrana hahazoana toerana ao anatin’ny governemanta ho tambin’ny fanarahana ny kajikajy politika apetraky ny fahefana mpanatanteraka ao Tsimbazaza. Heverina ho mbola mafy amin-dRajoelina ihany koa anefa ny kajikajy hoe : iza no hotazonina ? Iza no hisaorana ? Hisy ihany koa ve ny sarintsarina mpanohitra hampidirina ao izay efa misy rahateo ny misarisary zoro ? Samy miandry izay ho fivoakan’ny kajikajy politika amin’ny fifampizaran-tseza ao aloha, raha toa ka tsy mba misy tokontaniny kosa ny fanarenana ara-toekarena sy ara-tsosialy.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT