Hitsoa-pahana any Zimbabwe indray ny Filoha…

Mbola baraingo ny fitsanganan’ny governemanta


  • Alarobia 14 Aogositra 2024

Taorian’ny diany tany Rwanda, hiazo an’i Harare Zimbabwe indray ny Filoha Andry Rajoelina

amin’ny faran’ny herinandro ho avy izao, hiatrika ny fihaonana an-tampony faha-44 ho an’ireo Filoham-panjakana sy governemanta anatin’ny SADC hanomboka ny 17 aogositra. Mbola baraingo na ho voatendry mialohan’izay na tsia ny governemanta izay efa iray volana mahery izao no tsy governemanta ara-dalàna intsony fa mpanao fampiodinan-draharaha sisa. Raha mampahatsiahy ny tantara, ny 15 aogositra 2023 no nanendrena ny governemanta niantsoroka ny raharaham-pifidianana, rehefa niala i Andry Rajoelina, ary nisy ihany koa ireo Minisitra nisintaka mba nahafahana nanao propagandy. Ho voatendry alohan’io ve ny governemanta sa miandry ny dian’i Andry Rajoelina avy any ivelany ? Aorian’i Harare, dia mbola hiazo ani Pékin hiatrika ny FOCAC 2024 (Forum sur la coopération Chine-Afrique) indray ny fiandohan’ny septambra, ary mety mbola harahan’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana any Washington ka betsaka no mieritreritra mety mbola tsy hitsangana mialohan’ny faran’ity volana ity ny governemanta. Tsy ny dian’i Andry Rajoelina any ivelany no ratsy, ary safidiny izany na dia iaraha-mahalala sy mahita aza fa tsy dia misy vokany firy ho an’ny Firenena fa fihetsiketsehana no betsaka. Mampametra-panontaniana hatrany hoe : mba homen’ity Filoha ity hajany ve ilay Firenena tantaniny sa dia efa hanaovany tsidi-pahitra sy tsy mahataitra azy ny zava-misy sy mitranga eo anatrehan’ny olana ara-tsosialy sy ara-toekerana samihafa ? Sa kosa mitsoaka olana ka zara aza misy an’ireny fanasana sy fihaonana iraisam-pirenena ireny hialana ilany araka ny fitenin’ny tanora ? Tsy azo atao ve ny manangana goverenemanta sy mamaha ireo olona anatiny aloha ? Efa iray volana mahery ny fametraham-pialan’ny governemanta, saingy toa tsy maharototra firy an’i Andry Rajoelina, hany ka toa manamafy ny fahalemena politika sy tsy fananan’olona, tsindry samihafa avy amin’ireo hery ara-politika sy ara-toekerana manodidina, tahotra ny hivadihan’ireo namana mety ho very seza,… Kihon-dàlana farany ara-politika ho an-dRajoelina ity 5 taona ity noho ny tsy fahafahana milatsaka fanintelony raha ny voafaritry ny lalàmpanorenana, saingy maneno sahona ny zava-drehetra. Ny krizy ara-toekerana sy ara-tsosialy ato anatiny miha mangotraka, ny politika miha manahirana, lafiny ara-bola sahirana sy miha banky ropitra ny fitondrana, ny diplaomasia ihany koa anefa tsy ambony tsy ambany tahaka ny lohalik’alika,… Dia io iaraha-mahita io fa sorona ny Firenena !
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT