Hifarana anio ny fandraisana dosie

2 922 ny lisitr’ireo kandida efa voarain’ny OVEC


  • Alakamisy 26 Septambra 2024

Nampahatsiahy an’ireo mikasa hirotsaka hofidiana amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolontsaina monisipaly

ny CENI tamin’ny alalan’ny Sekretera mpanatanteraka Tseheno Rakotondrasoa, fa mifarana tanteraka anio 26 aogositra amin’ny 5 ora hariva ny fandraisana ny antontan-taratasy. Notsindriany manokana fa na feno na tsy feno ny antontan-taratasy, dia mijanona amin’io fotoana io ny fandraisana ny dosie. Hatramin’ny talata 24 septambra, 2 922 ny isan’ny lisitra kandida voaray avy amin’ireo OVEC manerana ny Nosy, ka 92 978 ireo olona nilatsaka ao anatin’izany. Efa saika naharaisana firotsahan-kofidiana avokoa ireo kaominina manerana ny Nosy, raha ny fanamarihana. Aorian’ny famoahan’ny OVEC ny lisitry ny kandida, ùanana 72 ora avy eo ny OVEC hamoahana fanapahan-kevitra, ka aorian’izay dia handefasana « notification » ireo mpilatsaka ka raha sanatria nolavina ny dosie, dia manao ny fitarainana isan’ambaratongany. Ny voalohany eny amin’ny CENI, ka manana 48 ora handraisana fanapahan-kevitra io vaomieram-pifidianana io. Raha toa ka mbola tsy miravona eo, dia zon’ny mpilatsaka hofidiana ny mitondra ny raharaha eny amin’ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana. Andrasana hatramin’ny anio hariva izany ny fivoaran’ny firotsahan-kofidiana ao anatin’izao andro farany hahafahan’ireo kandida mandrotsaka izany izao. Anisan’ny tena hifantohan’ny maso sy ny sain’ny besinimaro ny hoe : hanao ahoana ny eto Antananarivo Renivohitra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT