Hevitr’i Pr Raymond Ranjeva momba ny fifidianana

Malagasy 4 tapitrisa mahery no nankasitraka azy


  • Alarobia 15 Novambra 2023

Iray amin’ireo olobe mandrafitra ny Vovonana mpanelanelana tarihin’ny Filohan’ny

Antenimierampirenena sy ny FFKM ny Pr Raymond Ranjeva, avara-pianarana Malagasy, efa mpitsara tany amin’ny tribonaly iraisam-pirenena teo aloha. Tanjona sy làlan-tsaina lehibe entin’io vovonana mpanelanelana izay ahitana olobe samihafa nanana andraikitra ambony teto amin’ny firenena ny mba hamoahana vahaolana handaminana ny firenena mialohan’ny fifidianana, mba hisian’ny fahamarinan-toerana ara-politika, hisorohana ny krizy goavana eto amin’ny tany sy ny Fanjakana,… Nahatratra 4 165 220 no nankasitraka ny kabarin'ny Profesora Ranjeva teny Tsimbazaza sy teo anoloan'ny SADC tao amin'ny tambajotran-tserasera facebook. Teboka efatra no mivoatra sy miverimberina: Tsy ara-dalana avokoa ny andrim-panjakana izay voakasiky ny didy tsy ara-dalana sy tsy manaraka ny lalam-panorenana navoakan'ny HCC. Noho izany, tsy ara-dalàna sy tsy araka ny lalàmpanorenana ny fanapahan-kevitra raisin’ireo rafitra tsy ara-dalàna, indrindra fa ny fanapahan-kevitra momba ny zotram-pifidianana. Faharoa, nambarany fa ny Filohan’ny Antenimierampirenena irery no hany tokana mbola ara-dalana sy ara-drariny. Fahatelo, tsy misy afaka misalotra ny ho filoha faratampon'ny foloalindahy ankehitriny, ka ny lalana no tokony ankatoavina fa tsy ny baikon'ny olom-boatendry sady tsy ara-dalana no tsy ara-drariny. Fahaefatra, famerenana ny tany tan-dalana no laharaham-pahamehana ankehitriny, mba afahana manomana fifidianana tena madio ka tsy hisian'ny romoromo. Andaniny, nosokajian’ny governemanta ho vondrona mpanohitra sy mpanongam-panjakana amin’ny alalan’ny andrim-panjakana ny vovonana tarihin-dRtoa Christine Razanamahasoa sy ny FFKM, izay mpikambana ao anatin’izany ny Pr Raymond Ranjeva. Tsy olonolom-poana no mandrafitra an’io vovonana io, fa olona manana ny maha izy azy avokoa, Raiamandreny samihafa nanana ny toerany teto amin’ny firenena, manam-pahaizana, efa nitazona andraikitra ambony samihafa. Dia tena hanongam-panjakana sy hanakorontana firenena tokoa ve no tanjony ? Sao dia efa tafahoatra ity fanaovana tsinontsinona olona ity ka izay olona tao anaty fitondrana sahy mijoro milaza ny zavatra tsy mety dia lazaina fa lasa adala, ary ireo olobe mitsangana amin’ny maha Raiamandreny azy lazaina fa mpanohitra sy manongam-panjakana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT