Heverina ho noho ny fiarovana ny taniny

Olona 6 nosamborina ao Ambilobe sy Nosy Mitsio


  • Alakamisy 13 Febroary 2025

Namana enina (6) mpiaro ny tanin’ny mponina voatazona atao andrimaso (garde a vue)

tsy mbola mazava ny anton’izany , hoy ny fampahafantaran’ny Collectif Tany, tambajotran’ireo olom-pirenena mijoro hiaro ny tanindrazana omaly 12 febroary 2025. Voatana atao andrimaso ao amin’ny zandarimaria ao Ambilobe nanomboka tamin’ny zoma 7 febroary izy ireo, ka anisany ny naman’izy ireo antsoina hoe Jaokamisy Andriantsidiso. Nanomboka tamin’ny alatsinainy 10 febroary dia notanana ao amin’ny biraon’io zandarmaria io ihany koa ny mponina 5 AKRAM, BETOMBO, HASSAN, FAHARDINE, MAHAMODO avy any Nosy Mitsio ary mety ho hadiadiana androany, hoy ny fampahafantarana omaly. Nomarihin’ny Collectif Tany, fa tsy mbola tena mazava ny anton’ireo fisamborana sy fitanana atao andrimaso ireo. Heverinay fa misy ifandraisany amin’ny fiarovan’ny mponina ao Nosy Mitsio ny taniny, hoy ny fanambarana. Mangataka ny hamoahana ireo mpiaro ny tanin’ny mponina ireo tsy misy hatak'andro noho izany ny Collectif tany, ary manasa ny olom-pirenena tsirairay hanara-maso ny vaovao mikasika ity toe-draharaha ity. Miteraka adihevitra samihafa nanomboka tany amin’ny volana oktobra 2024 ny ahiahy noho ny fahenoan’ny mponina any amin’iny faritra Ambilobe, Nosy Be, Nosy Mitsio iny ny mety hanomezana tany ho an’ny Arabo. Nisy ny fandisoana nataon’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany vao andro vitsy lasa izay fa tsy marina sy tsy mitombina ny filazana fa misy nosy namidy amin’ny Arabo any Nosy Be sy ny manodidina. Tsy mampisinda ny ahiahy anefa izany noho ireo toe-javatra mampiahiahy, toy ny fitsidihana nataon’ny Filoham-pirenena mianakavy sy ilay mpandraharaha mpanefoefo arabo Mohamed Alabbar taorian’ny fandraisana ity farany tany an-dapa ny volana oktobra 2024 ; ny fisiana lahatsoratra amina gazety vahiny amin’ny fifampiraharahan’ny mpitondra amin’io mpandraharaha arabo io ; ny voalaza fa resaka nataon’io mpandraharaha io fa i Madagasikara indray no isan’ny iankinan’ny ho aviny sy ny fiainany ; ny nisian’ny karazan-tsambo raitra yacht nihaodihaody tany amin’ny manodidina ireo Nosy ; ny resaka sy fampahalalam-baovao samihafa nitatitra fa 2000Ha amin’ny 3600Ar ao amin’ny Nosy Mitsio homena ampiasain’io mpanefoefo io hasiana seranam-piaramanidina sy hotely goavana,… Sahy hamoaka ve ny Fanjakana fa tsy hisy na fampanofana tany (bail) aza hifanaovana amin’ny Arabo ? Raha hisy an’izany, moa tsy naman’ny fivarotana raha 99 taona ohatra ? Iza no mbola ho velona amin’izany ? Misy ifandraisany amin’ireny ve itony fisamborana itony ka sanatrian’ny vava hampihorohoroana ny vahoaka hifitsaka ? Sanatrian’ny vava tadiavina hasiana olona « Ninia Donia bis » ka tsy namelana raha tsy maty noho ny fiarovan-tanindrazana ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT