Politique

Hetsiky ny Rodobe Hitatra ao MAVAM


  • Talata 11 Oktobra 2011

Nanam-bahiny maro ny Rodoben’i Toamasina nandritra ny hetsika nataony ny sabotsy teo.

 Teo ny ekipa Rodobe Nasionaly sy ny Vondron’ny olon-tsotra, tonga nanamafy ny namany tao Toamasina renivohitra koa ireo ekipa avy ao MAVAM (Mahanoro, Antanambao-Manamposty, Vatomandry, Ampasimanalotra, Marolambo) notarihan’ny Ben’ny tanàna teo aloha avy any Marolambo. Nambaran’ireto ekipa MAVAM ireto fa hitsangana ato ho ato ny Rodoben’ny MAVAM, ny tanjona dia ny hanetsehana ny vahoakan’ny MAVAM amin’ny fanomanana ny fitsenana ny filoha Ravalomanana sy ny amiraly Ratsiraka.

Nandritra ny hetsika ny sabotsy tolakandro io koa, dia maro ny fanehon-kevitra nivoaka. Ny Me Rasamimaka Mahefalahy dia niantso ny mpanao politika mba hanatanteraka sy hampihatra ny sonia nifanaovana hametrahana ny tetezamita iarahana, dieny mbola milamina ny Malagasy. Nahitsy kosa i Kotomanantsoa Rémi nilaza fa “tsy ho mpanompo an’i Andry Rajoelina ny vahoaka Malagasy, ka aoka izay ny fiziriziriana”. Ingahy Dahy Emilien kosa, izay nisy fotoana tsy tazana, dia nanamafy fa “tsy mivaky izany ny ankolafy telo, ny ankolafy Ratsiraka dia mbola ao anatin’ny rodobe”. Fa tamin’ny tsilalaon-teny ekipan’ny Rodobe Nasionaly tonga tao Toamasina kosa, dia samy niteny avokoa fa “misy aretina sempotra indray eto amintsika izao. Tsotra anefa ny ody sempotra misy izao ity, dia ireo filoha 03 lahy, Ravalomanana, Ratsiraka ary Zafy”.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT