Napetraka tao amin’ny Carlton Anosy, hoy ny kandida ho solombavambahoaka tao Toamasina sady mpikambana eo anivon’ny hetsiky ny olompirenena miady amin’ny hala-bato sy hosoka amin’ny fifidianana,
Jean Claude Roger Rakotoniriana, ny hetsikay mba ho fanarenana ireo lesoka tsy nahy na niniana natao tamin’ny fifidianana farany. Ny governemanta sy ny antenimieram-pirenena sisa tsy nanateranay ilay fehin-kevitra miisa 8 nivoaka tamin’izay. Efa hitanay kosa anefa, hoy izy fa miroso amin’ny fanatanterahana ireo fangatahana ny fitondrana. Anisan’izany ny fanemorana ny fifidianana saika atao ny 28 oktobra izao. Tsapany ihany koa fa tsy azo ihodivirana ny fanavaozana manokana na “revision special” ny lisi-pifidianana. Azonay tao anaty tranonkalan’ny CENI na dia vitsy aza no afaka mahazo izany ny valin’ireo fitarainana miisa 684 napetraka tamin’ny HCC. Heverinay, hoy hatrany ny tenany, fa tompon’andraikitra ireo mandinika ireny fitarainana ireny ary nazava ilay teny hoe mijanona amin’ny asany ireo ben’ny tanàna mandra-pahatonga ny fifidianana. Dingana manaraka izany izao dia ny mitondra ity hetsiky ny olompirenena ity any amin’ny faritra.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.