Politique

Hetsiky ny olom-pirenena miady amin’ny hosoka “Tsy azo ihodivirana ny resaka an-databatra boribory”


  • Alatsinainy 06 Martsa 2023

Manoloana ny toe-draharaha politika misy eto amin'ny firenena izay ao anatin'izao taom-pifidianana izao,

izahay avy ato amin'ny MCFIE na “Mouvement des Citoyens contre les Fraudes et Irrégularités ELectorales” na koa hoe HOM2HF, izany hoe, “Hetsiky ny Olompirenena Miady amin'ny Hosoka sy Hala-bato amin'ny Fifidianana” dia mizara amin'ny mpikatroka rehetra ny fomba fijerinay ny zava-misy, hoy ity hetsiky ny fiarahamonim-pirenena iray ity ny faran’ny herinandro teo. Mba hisian'ny fifidianana mangarahara sy eken'ny rehetra dia tsy azo ihodivirana, hoy izy ireo, ny fifanatonan'ny mpikatroka rehetra hiresaka an-databatra boribory. Handinihana sy hametrahana ny fitsi-dalao vaovao eken'ny rehetra hitondrana sy hanatanterahana ny fifidianana rehetra ho avy izany. Ilaina izany mba hialana amin'ny olana rehetra toy ny “doublon” na verindroa sy ny kara-panondro sandoka nisy teo aloha izay saika nampisy savorovoro, hoy hatrany izy ireo.
(Sary fanehoana)
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT