Politique

Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana “Fampihavanana aloha …”


  • Alakamisy 20 Oktobra 2011

“Raha fanovana no noheverina dia faharavana amin`ny lafiny rehetra no hita, na amin`ny lafiny politika, na sosialy, na ara-toekarena na eo amin`ny fitondrantena”.

 Izay no tsapan`ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana na HMF manoloana ny raharaham-pirenena amin`izao fotoana izao. Nanambara moa ny HMF fa tsy nangina akory izy ireo satria tsy afaka ny hangina manoloana ny zava-misy eto amin`ny firenena. Tsy tapaka nangataka toerana hanaovana fanompoam-pivavahana izy ireo saingy tsy nahazo alalana foana. Voalaza fa ho fikatsaham-bahaolana am-pitoniana amin`izao krizy izao no antony tsy nanomezana azy ireo alalana amin`izany famorian`olona hivavaka ho an`ny firenena izany. Miombom-po tanteraka amin`ny fahoriana sy ny fangejana anaty fahantrana mihatra amin`ny vahoaka koa ny HMF ary tsy mitsahatra ny mikaroka ny hampanjakana ny fahamarinana.

Nilaza moa izy ireo fa tsy mivadika amin`ny teny efa nomeny teo anatrehan`Andriamanitra. Ankoatra izay dia manentana hatrany ireo manana fahefana, ireo mpanao politika sy ny olom-pirenena rehetra ny HMF mba hanaja ny fahamarinana, ao anatin`izany ny fanajana ny zo fototra hiteny malalaka, hanao fanompoam-pivavahana, hanaja koa ny zon`olombelona sy ny ainy, tsy handroba ireo harem-pirenena ary hanaja izay efa nekena. Momba ilay sori-dalana nosoniavin`ireo mpanao politika indray dia nambaran`ireto mpitondra fivavahana fa ampahany amin`ny olana ihany no mety voavahan`iny fifanarahana iny fa ny tena vahaolana voalohany dia tsy misy afa tsy ny Fihavanana. Mialoha ny Fihavanana anefa dia mila mifampifona sy mifamela aloha ny rehetra. Tsy resaka taratasy vita sonia no ho vahaolana maharitra, hoy ihany ny HMF ka kely fanantenana izy ireo ny amin`iny sori-dalana iny raha tsy misy ny “bonne foi”.

Misy manko ny zavatra tokony azo notanterahina avy hatrany, hoy ny HMF raha vao vita sonia iny sori-dalana iny, raha tena nisy izay “bonne foi” izay. Ao anatin`izany ny famoahana ireo gadra politika rehetra tsy ankanavaka, tsy misy fepetra, eo koa ny famoahana ireo haino aman-jery nakatona ka nosinganin`ny Hmf tamin`izany ny Radio Fahazavana izay an`ny Fiangonana. Raha toa ka tsy mitamila ny mpitondra fivavahana, ireo miaramila ary ny fitsarana sy ireo mpitsara ao aminy dia hivaha any amin`ny 80% ny krizy eto amintsika, raha ny fanazavana ihany. Momba izay ho praiminisitra indray dia heverin`ny HMF fa mila olona tena matahotra an`Andriamanitra, raiamandreny vonona hampihavana ny mpiray firenena, ho tsapan`ny olona fa tena mpitondra firenena, tsy olona hitady ny ho tombontsoany manokana fa ny an`ny firenena sy ny vahoakany no takiana, hoy ny HMF. Tsy izay ho praiminisitra ihany anefa fa izay ho filoham-pirenena ihany koa dia takian`ny HMF hahafeno ireo mason-tsivana ireo.

Nangonin`i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT