Hetsiky ny mpitondra fivavahana

“Aza tampenam-bava ny ankizy!”


  • Alakamisy 26 Oktobra 2023

Ny mpitandrina Rafanonerantsoa Valisoa Lilia no nitory teny nandritry ny Fanandratana

vavaka ho an’i Madagasikara notontosain’ny HMF na Hetsiky ny mpitondra fivavahana tetsy Antsahamanitra omaly. Ny teny tao amin’ny Baiboly ao amin’ny Jeremia 20:7-10 no noraisiny ary mivaky manao hoe “Jehovah ô, notaominao aho ka voataona. Nosamborinao aho ka resinao.". Mila Jeremia ny firenena hijoro, hoy ity mpitandrina ity. Mila Jeremia hananatra sy hiteny. Aza mangiana! Mila Kristianina mijoro. Tsy voatery hitovy ny safidy. Samy manana ny tiany. Tandrovy ny fihavanana! Aza mifankahala! Mifampiantà! Ialao ny herisetra! Manaova ny marina, samy isika malagasy ihany eto Madagasikara! Isika Kristianina mila mijoro ho fahazavana. Aza manaiky hozarazaraina! Soa iombonana no katsahina sy tadiavina. Hafatra ho an'ny mpitondra, olom-boatendry, olom-boafidy, vahoaka. Ny hendry ihany no anarina. Aza manao fanahiniana manao tsy mety! Mijoroa ho ray aman-dreny alain-tahaka! Mila mitandrina ianareo! Hajao ny tsy fitovian-kevitra sy demokrasia! Aza tampenam-bava ny ankizy! Aza manao fijery mitanila ho an'izay miezaka mandamina! Mila tomponandraikitra tahaka izany ny firenena! Miezaha mba ho tena solontenan'Andriamanitra! Ho an'ny mpanao politika, mifampiresaha, mifandamina, aza mifampiziriziry! Mifanatona, mifampiresaha! Izahay mpitondra fivavahana tsy hangina fa hiteny, hamotsipotsitra ny tsy fanarahan-dalana isan'andro isan'andro. Mila Jeremia ny firenena hananatra sy hiteny, hoy hatrany ny HMF.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT