Politique

Hetsiky ny mpanohitra Fitokonana faobe manomboka anio


  • Alatsinainy 30 Aprily 2018

Zavatra roa no nisongadina sy nampiavaka ny hetsiky ny depiote ho an’ny fanovana ny sabotsy lasa teo. Tao ny fahatongavan’ireo ben’ny tanàna HVM nanatevina ny fitakiana.

 

 Nitsotra izy ireo fa iharan’ny tsindry hazo lena sy ny ramatahora saingy tsy maintsy mijoro kosa anefa miady amin’ny tsy rariny sy mitondra ny tena hetahetan’ny vahoaka marina. Fa teo ihany koa ny diabe natao nankeny amin’ny foiben’ny haino aman-jerim-panjakana eny Anosy, ka depiote am-polony no nitarika ny hetsika. Tsotra ny fangatahana, dia fampitoviana lenta amin’ny ampaham-potoana omena ireo mpomba ny fitondrana mandeha ao amin’ny RNM sy ny TVM amin’ny tsy mitovy hevitra aminy. Nafampana ny fifampiresahana, nalefa ny adihevitra ary nanaiky ihany ny farany Atoa Johary Ravoajanahary tale jeneralin’ny ORTM fa halefa ao anaty vaovao manoboka izao ny hetsiky ny mpanohitra. Tsy nisy ny fifandonana na zavatra simba fa dia namela malalaka ireto solombavambahoaka ireto hiditra tao anaty birao ireo mpitandro ny filaminana maro be miambina ny RNM sy TVM eny Anosy. Ho an’ny anio alatsinainy dia hiroso amin’ny famoahana ireo mpiaasan’ny minisitera te hanatevin-daharana ny hetsika kanefa mety voasakana ireo solombavambahoaka ho an’ny fanovana sy ny mpomba azy ireo ary hiroso amin’ny fitokonana faobe. Hentitra ny resaka tamin’ny sabotsy teo : mitohy ny tolona, tsy fanonganam-panjakana amin’ny basy sy ny sandry no atao fa fitakiana ny fametraham-pialan’ny filoham-pirenena, araka ny lalàna. Tsy eto Antananarivo ihany fa efa tena misandrahaka manerana an’i Madagasikara ny hetsika fitakiana ary mbola hitombo ny mpanohana, raha ny fanazavana azo avy amin’ireo depiote mpitarika eny amin’ny kianjan’ny 13 mey. Efa nanamafy ny fahatongavany ireo sendikan’ny mpiasa, andrasana anio ireo fonksionera. Ny fahatongavan’izy ireo manohana ny hetsika dia midika avy hatrany fa hanomboka hikatso ny fampandehanan-draharaham-panjakana. Nitazana fotsiny fa tsy nanakana hatramin’ny sabotsy lasa teo ireo mpitandro ny filaminana. Mbola ho toy izay ihany ve ny anio alatsinainy rehefa hiditra any anaty minisitera ny solombavambahoaka ho an’ny fanovana sa hiverina ny fampiasan-kery ?


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT