Mandeha hatrany ny fandotoana ny hetsi-pitolomana tarihin’ny depioten’ny fanovana eny amin’ny Kianja 13 mey amin’izao fotoana izao, indrindra taorian’ny fanambaran’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tany Mahajanga.
Nezahina natsimbadika ny resaka mba hampiroaroa saina ny mpitolona sy hahaketraka azy. Nambaran’ny depiote Hanitra Razafimanantsoa omaly kosa, fa ny antoko TIM, dia manohana ny hetsiky ny depiote ho an'ny fanovana. Nohamafisiny ny tenin'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana fa tsy an'ny antoko TIM ny tolona fa ny depiote TIM sy MAPAR kosa no mpitarika izany. Tsy manongam-panjakana fa manala ny mpitondra tsy misy fampiasan-kery fa miaraka amin’ny vahoaka, hoy hatrany ny fanazavan’ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa. Ezahin’ireo te hamotika sy hanakivy ny mpitolona eny amin’ny kianjan’ny 13 mey kosa ny famadihan-dresaka satria ambara fa mpanongam-panjakana ny depiote, ka lazaina fa tsy mankasitraka izany ny filoha teo aloha. Io resaka fanonganam-panjakana io no tena voizina, saingy ny zava-misy eto amin’ny firenena sy efa nitondran’ny solombavambahoaka fanazavana im-betsaka dia ny hoe mangataka ny fialan’ny filoha. Miainga amin’ny lalàna velona sy ny lalàmpanorenana io, fa tsy fananihan-dapa na fampiasana vata-miaramila handrahona basy aman-tafondro ny mpitondra hiala amin’ny toerany satria izany no atao hoe fanonganam-panjakana. Tsy misy mihitsy ny fakana fahefana miala amin’ny voalazan’ny lalàmpanorenana hatreto, saingy lasa ady fiady moa ity fanasoketana sy famadihan-dresaka hoe “fanonganam-panjakana” ity amin’izao. Manome fotoana ireo mpanara-dia azy anio manomboka amin’ny 10 ora maraina eny Analakely moa ireo depiote ho an’ny fanovana. Ny alatsinainy 30 aprily izao kosa dia nilaza ny hamoaka ireo mpiasam-panjakana any anaty ministera te hamonjy ny hetsika kanefa voasakana ireo depiote ho an’ny fanovana sy ny mpanara-dia azy ireo.Etsy ankilan’izay dia miha mitombo isa hatrany ny olona, vondron’olona sy fikambanana manerana ny nosy manohana ity hetsika ity, izay hitohy foana moa araka ny nohamafisin’ireo depiote TIM sy MAPAR omaly.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.