Tsy misy intsony ny fanakanana fivoriana na fandehanana amin’ny arabe sy fidirana amina birao na sampandraharaham-panjakana. Tapitra hatreto ny baomba mandatsa-dranomaso, malalaka ny mpanohitra amin’izay ataony sy teneniny.
Na eto an-drenivohitra io na amin’ny faritra rehetra manerana ny nosy. Farany teo dia nanaiky indray ny tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana fa dia alefa ao ny akom-baovao avy any amin’ny hetsiky ny depiote ho an’ny fanovana. Miteraka adihevitra ho an’ny maro io fiovam-pihetsiky ny fitondram-panjakana io. Moa ve efa tena marefo ny fitondrana HVM ka nilefitra ary manaiky izay rehetra takian’ny mpanohitra sa paikady politika ihany io ataony io ? Tsy hampiasa hery mihitsy ny fanjakana, tsy hanakana, tsy hanenjika, tsy hisambotra fa dia avelany eo ny mpanohitra. Hitombo ve sa hihena ny olona voatarik’izy ireo ? Efa fomba fiady ihany koa ny resaka lazon’ady ka avela ireo mpanao fihetsiketsehana hanao izay tiany eo. Moa ve hahita zava-baovao atao isan’andro izy ireo sa hamorona inona ? Ny efa mazava aloha dia mitaky fiovana ny olona satria efa mafy loatra ny zavatra niainany tao anatin’ny 4 taona nitantanan’ny HVM ny tany sy ny fanjakana. Manantena zavatra maro be amin’ireo depiote 73 ny vahoaka, fantatry ny mpitondra fanjakana tsara izany ka lojika be ihany koa ny fametrahany paikady hanalefahana ny hetsika. Mety tafiditra ao anatin’izany ny hoe :”avelao hanao izay tiany eo ry zareo fa rehefa reraka ireo mijanona eo ihany”. Mila haingam-piasa, araka izany, ry depiote 73 mianadahy satria tsy mitazam-potsiny fa tena miketrika ny fitondram-panjakana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.