Hetsiky ny COLLECTIF DES CANDIDATS

« Miato aloha ny fanakanana nataon’ny Prefe »


  • Talata 24 Oktobra 2023

Ny faran’ny herinandro lasa teo, ny 19 oktobra no nandraisan’ny Prefen’Antananarivo didim-pitondrana

manatsahatra sy mandrara ny diabe am-pilaminana ataon’ny Firaisankinan’ny kandida sy ny vahoaka. Ny ampitson’iny ihany, ny dia efa nandefasana mpitandro filaminana zavon-tany teny Manakambahiny nandravana ny hetsika. Ny 20 oktobra 2023 kosa anefa no voarain’ny fitsarana ny taratasy mitondra ny laharana 139/23/SURS/TA-AN avy amin’ny « Collectif des Candidats », dia Atoa isany Razafinjoelina Tahina, Andrianainarivelo Hajo Herivelona, Ratsiraka Iarovana Roland, Ravalomanana Marc, Paraina Auguste Richard, Raobelina Andrimalala Andry, Razafitsiadraofa Brunelle, Ratsirahonana Lalaina Harilanto, Rajaonarimampianina Rakotoarimanana Hery Martial, Ratsietison Jean Jacques, Randrianasoloniaiko Siteny Thierry, tamin’ny alalan’ireo mpisolovava Hubert Raharison, Luc Rakotonirina, Eric Rafidison, Eloi Ratefimahefamijoro ny taratasy fangatahana fampiatoana iny didy mitondra ny laharana 003/23-MID/PREF-POL/ELECT navoakan’ny Prefen’Antananarivo ny 19 oktobra 2023. Mahakasika ny famoriam-bahoaka mandritra ny fampielezan-kevitra ity taratasy ity, navoakan’ny prefe ity. Fanapahan-kevitra, izay nohamafisin’ mandika lalàna no sady manohintohina ny an-tanan-tohatry ny fenitra momba ny zo fototra izany, hoy ny Collectif des Candidats, tsy inona moa izany fa ny fahafahana mivory am-pilaminana. Ny zoma lasa teo aza dia nahitsy ny kandida Jean Jacques Ratsietison fa tsy misy dikany iny satria mandika ny fifanarahana iraisam-pirenena nosoniavintsika tamin’ny taona 1976. Raha ny fanamafisana, voarain’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana tsara ny taratasy, izay midika fa miato aloha ny fanakanana fivoriana, izany hoe tsy misy fototra araka ny lalàna ny fanakatsakanana famoriam-bahoaka am-pilaminana ataon’ny Collectif des Candidats.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT