Politique

Hetsiky ny AVI tao Bezaha “Ny vahoaka mihitsy no diso fanantenana”, hoy Rabenirina JJ


  • Alakamisy 16 Martsa 2023

Taorian’ny tao Toliara afak’omaly, dia tao Bezaha indray no notsidihin’ny mpitarika ny Antoko AVI notarihin’ny Filoham-boninahitra Norbert Lala Ratsirahonana sy ny mpitarika ny AVI Jean Jaques Rabenirina omaly 15 martsa.

Nanentana ny olona hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana i Norbert Lala Ratsirahonana, ka nilaza mazava hoe: aza avela ny olona no hifidy eo amin’ny toeranao, aza avela ny olona no hisafidy izay olona tokony hitondra ny firenena, ka mahaiza ianareo eto Bezaha sy Betioky miray hina hifidy izay olona hitanareo fa mendrika hitantana ity firenena ity na iza na iza, hoy hatrany I Norbert Lala Ratsirahonana. Nanamafy fa mbola tsy fotoanan’ny propagandy izao, mbola mety hifankahita eto isika amin’ny fotoanany hoe: iza no hotohananay, hoy Filohan’ny AVI. Nametraka hafatra ho an’ireo ben’ny tanàna kosa Ratsirahonana, fa ny AVI dia mitady Fanjakana tsara tantana, kaominina tsara tantana,… Mahamenatra raha ny antoko no manao ny tsy fahamarinana na kolikoly ka tsy eken’ny saiko, saingy vonona hiaro anareo amin’ny fanendrikendrehana, hoy izy. Nandritra io omaly io ihany koa no nilazan’I Jean Jacques Rabenirina fa ny vahoaka any Betioky mihitsy no diso fanantenana amin’izao fitondrana izao, ka ny feon’ny vahoaka no entiny. I Betioky izay nahazoan-dRajoelina 92% tamin’ny fifidianana, taha ambony indrindra nanerana ny Nosy. “Solombavambahoaka ny tenako, ka izay feom-bahoaka izay no entina, ary izay solombavambahoaka mandà ny feon’ny vahoaka dia tsy solombavamboaka no anarany. Ny vahoaka aty no miteny fa diso fanantenana amin’ny fitondram-panjakana misy ankehitriny satria be ireo fampanantenana natao fa tsy tanteraka: tsy fandriampahalemana saika manerana ny faritra Atsimo, nampanatenaina hopitaly manara-penitra saingy tsy misy ao Bezaha na ao Betioky raha tsy hoe: vao hatsangana rahampitso angaha,…”, hoy I Jean Jacques Rabenirina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT