Manao tohivakana ny fanambarana fanohanana an’ny Dr Robinson Jean Louis amin’ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena.
Taorian’ny filohan’ny CDE teo aloha, Serge Zafimahova, dia namoaka fanambarana koa ny hetsika Vonjy Aina miaraka amin’ny Profesora Raymond Ranjeva. Voalaza ao anatin’izany ny filazana fa “mifandraika indrindra amin'ny safidy narosonay hatramin'izay ny tolotra nataon'ny Dokotera Robinson Jean Louis”.Voamarika ao anatin’ny fanambarana koa fa maromaro ireo kandida nihaona tamin’ny hetsika Vonjy aina. Tsy mahagaga loatra izao fanohanana izao satria anisan’ireo nanohitra hatrany ny fitantanan’i Andry Rajoelina ny Tetezamita ity fikambanana ity noho izy tsy mankasitraka fanonganam-panjakana. «Tsy miova amin'ny teny nifamotorana izahay, dia ny fandavana hatrany, ankitsirano ny fanonganam-panjakana sy ny fampiasana hery, ny fandrobana ny fahefan'ny vahoaka ary ny fisavihana ny safidiny amin'ny alalan'ny hala-bato sy ny fihetsika mamoafady rehetra». Mitaky ny mangarahara sy ny rariny ary ny hitsiny ny Hetsika Vonjy Aina ary manohatra noho izany ny fihetsika sy ny fikotrehina, fanakantsakanana sy hanembantsembanana ny firosoana amin’ny fihodinana faharoa madio sy mangarahara hanehoan’ny vahoaka ny safidiny amin'izao dingana faharoa izao, hisian'ny lalana hirosoana amin'ny fitsaboana ny firenena.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.