Politique

Hetsika sy fivoriana « Toa ny fanjakana indray no tsy manaja lalàna »


  • Alatsinainy 14 Aogositra 2023

Tsotra sady mazava ny teniko hoy i Tahina Razafinjoelina raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tao Ambositra izy ny sabotsy 12 aogositra lasa teo :

tena mba mahagaga ihany ilay zava-misy hoe olona hivory sy hanao fety ao amin’ny tranony dia lazaina hoe tsy azonareo atao izany.Fa lalàna inona no miresaka an’izany eto. Efa nekenay hoe eny ary fa lanonana no atao fa tsy handalo ao ny kandida, tsy asiana kabary politika.Fa dia fandavana hatrany no natao. Fa nahoana ary no misy afaka mamory olona an-kalamanjana no sady mandeha an-dalambe, ka nahoana izahay no sakanana kanefa ao anaty trano, tanàna mifefy ? Sao dia mba tsy mety kosa izany mizana tsindrian’ilay izany e ? ». Olona milamina izahay ary manaja lalàna, ka izany no antony niandrasanay ny fampiantsoana ofisialy ny mpifidy sy ny datim-pifidianana vao miresaka sy manetsika ny mpiara-dia aminay, ka mba tsy mety kosa ilay sakantsakana isaky ny mihetsika fa avelao ny olombelona Malagasy hisitraka ny zo omen’ny lalampanorenana azy. Ny fanjakana no efa namoaka datim-pifidianana sy niantso ny mpifidy, dia rehefa hiresaka amin’ny mpiara-dia aminy ny fikambanana sy ny antoko dia sakanana indray.Fa ahoana e ? Toa ny fanjakana ray amandreny sy tokony ho maodely indray no tsy manaja ny lalàna velona ?
RTT 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT