Politique

Hetsika miady amin’ny hosoka sy hala-bato Miroso amin’ny dingana ambony kokoa


  • Zoma 19 Jolay 2019

Araka ny efa tapaka tamin’ny fikaonandoha lehibe tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny 15 jona teo dia ny « Hetsiky ny olom-pirenena miady amin’ny hosoka sy ny hala-bato »,

 

 dia raikitra ny fanaterana ny fehin-kevitra any amin’ireo andrim-panjakana samihafa sy ny governemanta ary ireo masoivoho vahiny. Omaly dia teny amin’ny Antenimierandoholona no nanateran’izy ireo ilay fehin-kevitra. Ny Filoha lefitry ny Antenimierandoholona avy amin’ny Faritanin’i Toamasina Atoa Malo Benoit no nisolo tena ny Filoha Rivo Rakotovao no nandray azy ireo tamin’izany. Nambaran’Andriamatoa Rakotonirina Jean Claude Roger isan’ireo mpitarika ny hetsika, fa tsy tokony hirosoana ny fifidianana manaraka eo raha tsy voahitsy ny lalàna mifehy ny fifidianana, mba hanatsarana ny vokatra. Miisa 7 moa ireo fepetra sy fangatahana voarakitra ao anatin’io fehin-kevitra io, ka isan’izany ny fanoloana na fanofana ny mpikambana ao anatin’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI, ny fanadiovana manokana ny lisi-pifidianana,… ka raha tsy tanteraka izany dia tsy tokony hisy fifidianana azo atao eto Madagsikara, raha ny hevitr’ireo vovonana politika, kandida depiote teo aloha, fikambanana, olom-pirenena,… mivondrona ao anatin’io hetsika io.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT