“Tsy hilamina ity tany ity, tsy hisy zavatra hanjary eto ary mbola hihetsika ny olona raha toa ka tsy praiminisitra avy amin’ny Ankolafy telo no hotendrena eo !”, hoy ny solontenan’i Manakara raha nandaha-teny, nitondra ny hafatry ny vahoakan’i Vatovavy Fitovinany tao amin’ny Kianjan’ny Finoana, Magro Behoririka omaly.
Fadiranovan’ny fahantrana ny vahoaka any an-toerana, araka ny fanazavana ary nahita sy mahafantatra ny zava-nitranga rehetra teto toy ny hoe iza ireo namono olona, nandroba, nanao tantely afa-drakotra ireo harem-pirenena ? Araka ny fanazavana dia tsy hipetra-potsiny ireo vahoaka nampahantraina ireo. Misy ny fiangarana, hoy ihany ity solontenan’i Manakara ity satria ny zoma fanampiana dia natao ho an’Antananarivo ihany. Ankoatra izay anefa dia tsy mahavita taona akory izany fa dia fanambazana ny vavan’ny olona tsy hiteny. Etsy andaniny, anisan’ny vaovao nampitain’ity zanak’i Manakara ity koa ny momba ny fitrandrahana fasimainty ataon’ny Sinoa any an-toerana, nandravana tanin’olona.
Nanambara ity solontenan’ny mponina fa raha toa ka tsy miala ireo mpitrandraka ireo dia ho raikitra ny rotaka satria ny fakana ny haren’ny faritra tsy nifampierana dia tsy eken’ny zanak’iny faritra iny ary izany no antsoina hoe “fotaka”. I Andry Rajoelina no nampidi-kizo an’i Madagasikara amin’izao krizy izao, hoy kosa ny solontenan’i Moramanga kanefa ny Ankolafy telo no manondro azy ny varavarambe tokony hivoahany amin’ny alalan’iny sori-dalana vita sonia iny ka anjarany ny manararaotra izany. Momba ny resaka lalàmpanorenana izay miteraka resabe moa dia tsy izany no hitondrana ny firenena amin’izao fa ny sori-dalana. Sori-dalana izay mametraka fa tokony havoaka tsy misy fepetra ireo gadra politika rehetra, ampodiana tsy misy fepetra ireo sesitany politika rehetra. Iray volana anefa izay no lasa, hoy i Guy Maxime Ralaiseheno kanefa tsy hita izay tena fampiharana an-tsakany sy an-davany ataon’ny filohan’ny FAT.
Raha mbola mihevitra ny hitantana io tetezamita io i Andry Rajoelina, hoy ity Ben’ny tanànan’Ankaraobato ity dia tokony hanatanteraka izay rehetra voarakitra ao anatin’ny sori-dalana. Tsy tokony hatao kilalao ny fiainam-bahoaka sy ny fiainam-pirenena, raha ny fanazavany ihany. Nambarany fa raha nanaiky nanao sonia iny sori-dalana iny sy ny fampiharana azy ny ankolafy 2 dia midika ho an’ny tombontsoam-pirenena ka tsy tokony hosangisangiana. Tetsy andanin’izany kosa dia “République de Libertalia”, najorona piraty frantsay tany amin’ny taonjato faha-17-18 tany no manjaka eto amintsika, izany hoe ny baroa no mahazo laka, hoy ingahy Mektoub Camille. Nihemotra any amin’ny 700 taona any isika, hoy izy. Namarana ny lahateny nifandimbiasana tetsy amin’ny Magro i Zafilahy Stanilas. Nambarany fa raha nihevitra ny momba ny firenena sy ny taranaka hoavy i Andry Rajoelina, tsy nanongam-panjakana tamin’ny 2009. Nilaza koa ity solombavambahoaka ity fa tsy mbola vita ny ‘contrat’ amin’ny tolona.
Ao anatin’izany fifanarahana izany, hoy izy ny tsy maintsy hiverenan’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana, ny famerenana azy hitondra ny firenena. Nohamafisiny fa tsy ho ela ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana ary maro ny asa miandry amin’izany. Samy nanentana ny hahatongavan’ireo mpanara-dia marobe eny an-kianja moa ireo nandaha-teny, indrindra ho amin’ity herinandro ity fa hisy zavatra goavana mety hiseho.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.