Politique

Hetsika Magro Nisy “sms” nampisavorovo


  • Alakamisy 10 Novambra 2011

Sarotiny amin’ny fampiharana ny sori-dalana ny ankolafy Ravalomanana.

Mazava ny tenin’ny depiote Zafilahy Stanislas fa dia tsy hananan’izy ireo indrafo ny fampiharana ny andininy faha-20. Tsy tokony hiandry izay fijoroan’ny governemanta io fa taorian’ny sonia dia hampiharina tsy misy fepetra. “Izay misakana ny fodian-dRavalomanana dia fahavalonay”, hoy ihany i Zafilahy Stanislas. Nambarany moa fa dia tsy hihemotra intsony ny tolona raha tsy tafody an-tanindrazana ireo sesitany politika, anisan’izy ireo ny filoha Ravalomanana. Momba ireo olona milaza azy ho TIM (Tiako i Madagasikara) dia nambaran’ity mpikambana eo anivon’ny birao politika ity fa dia “mpisoloky ireny”. Manerana ny Nosy, hoy izy dia tsy misy te-hahalala afa-tsy ny TIM miaraka amin’ny filoha mpanorina, Marc Ravalomanana.

Ankoatra izay, olona maro, eny nisy hatramin’ireo avy eny amin’ny Villa Elizabeth no nahazo soratra maro sosona (SMS) miendrika fanakorontanana. Anisan’izany ny fandrahonana fitoraham-bato ny profesora Zafy Albert. Hampanao fanadihadiana ireo mpitarika ny hetsika eo amin’ny kianjan’ny Magro satria efa fantatra ireo mpanakorontana ireo, hoy ny depiote Zafilahy Stanilas. “Raha kajikajy politika fitadiavan-toerana no hitenenan-dratsy ny profesora Zafy Albert dia tsy hanaiky izany izahay”, hoy ihany ity olom-boafidy ity. Vokatr’izany “SMS” izany moa dia nilaza ny pastera Edouard Tsarahame fa dia hijanona aloha ny ankolafy Zafy Albert. Omaly ihany moa dia nandefa iraka any amin’ity farany ny mpitarika ny hetsika etsy amin’ny Magro. Ho hita eo ihany ny tohin’izay.

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT