Politique

Hetsika Magro Hihamafy hatrany


  • Alatsinainy 07 Novambra 2011

Nisongadina tamin`ireo lahateny nifandimbiasana tao amin`ny Kianjan`ny Finoana Behoririka ny sabotsy teo ny fitakiana ny fampiharana tsy misy hatak`andro ny andininy faha-20 ao amin’ny sori-dalana sy ny fepetra rehetra hisian`ny fahatoniana eto amintsika, anisan`izany ny famotsorana ireo gadra politika sy ny fanalalahana ny haino aman-jery.

 Notsiahivin`ny solontenan`i Moramanga, ohatra, fa ny harivan`ny fametrahana an-dRajoelina ho filohan`ny FAT dia navoakany avokoa ireo gadra, tsy niandry dinika izany fa avy hatrany dia notanterahina. Tsy tokony hisy hanakana ny praiminisitra, araka izany, tsy hanatanteraka ireo rehetra voalazan`ny sori-dalana ireo, toy ny fanafoanana ny NOTAM. Demokrasia no notakiana teto, hoy ny depiote Mamitiana Ravelonanosy ary dia nodradraina hatreny amin`ny kianjan`Ambohijatovo izany kanefa hatramin`izao tsy tafiditra ao amin`ireo haino aman-jerim-panjakana ny mpanohitra. Ny nanoloran`ny ankolafy Ravalomanana kandida ho praiminisitra dia mariky ny fahavononany hiara-miasa.

Fanjakana marin-toerana, manana ny maha izy azy no hajoro eto, hoy izy nanamafy. Nambarany fa ny famoahan`ny minisitra notendrena teo aloha didy tsy fahazoana manao hetsi-bahoaka dia midika fa tsy ara-dalàna ary mbola misy kajikajy politika ketrehin-dRajoelina sy ny Frantsay. Tsy hilamina ny tany, hoy izy na tafiditra amin`ireo rafitra rehetra aza ny mpitarika ny ankolafy Ravalomanana kanefa i Dada tsy mbola tonga eto. Tetsy andanin`izany dia notsipihin`ny solontenan`ny Tokobe Telo fa arakaraka ny namoahan`ny FAT didy tsy azo hanao fihetsiketsehana dia vao mainka nihetsika ny tany Toliara ka naharatrana mpitandro ny filaminana sy nisamborana mpianatra. Nambaran`i Zafilahy Stanilas kosa fa dia tsy hihemotra ny zanak`i Dada. Nanipy teny ho an`ireo nisintaka tamin`ny ankolafy Ravalomanana koa ity solombavambahoaka ity fa “raha mitady toerana ianareo dia tadiavo any amin-dRajoelina ny toerana.

Raha ny filoha Ravalomanana no kitihinareo ka hanaovanareo teny tsy voahevitra dia tsy handefitra aminareo ny vahoaka. Tsy adala izahay fa ho an`ny tanindrazana no hitolomanay. Tsy hanaiky politika maloto izahay ka rehefa tsy hanao ianareo dia vitanay ity”, hoy izy. Misy fetra ny fandeferana, hoy ihany i Zafilahy. Vaky i Fianarantsoa ny zoma lasa teo, hoy kosa i Guy Maxime Ralaiseheno raha nanao tatitra ny diany tany an-toerana. Fanamby moa no napetrany fa raha toa ka tsy hamoaka ny gadra politika ny FAT dia izy ireo no hamoaka azy ireo. Ny fanatanterahana ny sori-dalana no andrasan`ny vahoaka, hoy izy ka rehefa tsy izay dia “tsy misy Andry Rajoelina hitondra ny tetezamita izany eto”. Nambarany ihany fa ny fitazonana ny teny nomena, ny fanajana ny sonia natao ary ny fampiharana izay nifanekena no hany antoka hisiana fampihavanam-pirenena. Samy nanamafy moa ny rehetra fa tsy hijanona ny hetsika raha tsy tafody eto ny filoha Marc Ravalomanana.

Nangonin`i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT