Hetsika goavana tany Paris

«Tsy ekena ny jadona, miantso ny vahoaka hijoro »


  • Alatsinainy 11 Desambra 2023

Niroso tamin’ny hetsika goavana dia ny Diabe ho an’ny Demokrasia ireo Malagasy

mpila ravinahitra any Lafrantsa mivondrona ao amin’ny Collectif Mijoro ny sabotsy 09 desambra teo. Nanao diabe, nilanja sorabaventy, ka naneho tao anatin’ny Fandraisam-pirenena samihafa fa tsy azo ekena ny fanapenam-bava sy ny jadona. Tsy mitsitsy fitenenana ireo Diaspora maneho fa tsy mijanona amin'ny fanoherana ny didy jadona, ny fampihorohoroana indrindra lainga, fitaka, halatra, asana jiolahim-boto atao amin'ny mpiray tanindrazana. Nalalaka rahateo ny hetsika nataon’izy ireo satria nahazo alalana tamin’ny manampahefana, fa tsy tahaka ny eto an-tanindrazana. Isan’ny toherin’izy ireo hatrany moa ny filazana fa lany ho Filoham-pirenena Malagasy Atoa Andry Rajoelina satria manamafy izy ireo fa tsy fifidianana nampiseho ny safidim-bahoaka, ary tsy manaiky ny fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena dia ny hitondran’ny vazaha taratasy an’i Madagasikara. Na ny resaka fanakantsakanana amin'ny fanehoan-kevitra sy ny fisamborana, fanagadrana ireo sahy mijoro dia efa fanosihosena izany demokrasia izany ka tsy maintsy mihetsika mampiseho sy manaitra ny rehetra izahay, hoy ny diaspora Malagasy any Frantsa ka izay no anton'ny hetsika. Nankahery ny vahoaka Malagasy moa izy ireo, ary niantso ny valalabemandry hijoro. Nialohan’izao dia efa nilaza ireo Diaspora, fa taorian'ny 60 taona mahery naharavan’ny toekarena, ny sehatra sosialy, sehatra politika ary ny ara-moraly, dia laharana faha 5 amin'ireo firenena mahantra indrindra eto an-tany i Madagasikara, ary ity fifidianana filoham-pirenena sarintsariny ity no tena vao mainka mampihitsoka lalina ny krizy tsy mety tapitra izay iainan’ny firenena nandritra ny 60 taona. Simba tanteraka ny rafitra ary miatrika olana goavana maro ny firenena ankehitriny; ny kolikoly, ny tsy fanajana ny firenena tan-dalàna sy ny andrim-panjakana, ny fifidianana feno hosoka mibaribary, ny vahoaka madinika izay lasa toa sanatria lasa mpifidy voavidim-bola, ny herisetra atao amin’ny vahoaka, ny fanagadrana tsy ara-dalàna, ny fametrahana fanjakana mampihorohoro sy manampim-bava ny vahoaka tsy ho afaka miteny intsony, ny fanindraindrana ny tsy fahaiza-manao ka zary lasa toa filamatra, ny fangalaran’olom-bitsy ary tsy misy fetra ny harem-pirenana izay miteraka fahantrana lalina sy mampitombo isa hatrany ny vahoaka sahirana. Maizina tanteraka ny hoavin’ireo taranaka sy fara mandimby izay hahatratra 50 tapitrisa atsy ho atsy. Azo hadika ho hafatra miantefa amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena io eo anatrehan’ny mety ho fanamaivanana sy fikipiana eo anatrehan’ny toe-draharaha miseho eto Madagasikara ny hetsiky ny Diaspora Malgasy, izay tsy azo hamaivanina eo amin’ny lafiny politika sy diplaomasia.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT