Hetsika Fotsy teny Anosy

Naneho am-pilaminana fa tsy ekena fifidianana maloto


  • Talata 14 Novambra 2023

Tamin’ny alalan’ny rojom-pifandraisana nanehoana firaisankiana no nanehoan’ny Hetsika Fotsy

hevitra mikasika ny fanoherana ny sary politika miseho ankehitriny dia ny fikatsahana hanao fifidianana amboletra. Nitarika an’izany ry Hary Razafindrazaka isan’ny niaingan’ny Hetsika Fotsy, ny mpanakanto Bodo Razafindrazaka,… Nentina nitondrana hafatra sy hanehoana ny tsy zavatra tsy mety eto amin’ny firenena izao, indrindra fa ny fifidianana, ary notanterahana tao anatin’ny fotoana fandalovan’ny mpanara-mason’ny SADC sy ny sehatra iraisam-pirenena. Nohamafisin’ireo mpitarika sy ireo mpandray anjara fa tena tsy madio ny zotram-pifidianana, mila fanadiovana, mba ho tonga amin’ny fifidianana tena milamina sy madio ary eken’ny rehetra. Maro ny endrika isehoan’izay tsy fahadiovana izay na eo amin’ny rafitra, fikarakarana, fitanilana,… miampy ny herisetra amin’ny endriny maro. Naseho tamim-pilaminana ny tsy fankasitrahana, nentina nanehoana fa tsy azo ekena intsony izao zava-misy iainan’ny firenena ankehitriny, ary tsy mendrika hotohizana mandritra ny 5 taona manaraka, mba tsy hahalatsaka an-davaka ny firenena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT