Hetsika fotsy

Miantso ny vato nasondrotry ny tany


  • Alatsinainy 30 Oktobra 2023

Ianareo mba vato nasondrotry ny tany ao anatin'io governemanta io ve dia tena milamin-tsaina amin’ity

hafindrafindrao ataon'ny HCC ity, hoy ny mpitarika ny Hetsika fotsy, Hary Razafindrazaka. Mipetraka aminareo mpanohana izao fanjakana izao koa ny fanontaniana, hoy izy? Efa tsy manana maso intsony ny fanahy sy ny saina ka dia ny kibo voky sisa no banjinina? Inona no ho lazaina amin’ny tanora amin’izao zavatra miseho izao? Ho sahinareo ve ny milaza amin’ny zanakareo hoe manara-dalàna io HCC io? Vao tsy ela akory anefa ny minisitry ny fitsarana no nilaza fa tsy ho azo afindra intsony ny fahefana nomena ny governemanta kolejialy? Mba nomen-janahary anareo ny fahafahana nanovo fahalalana. Mba ampiasao amin’ny rariny sy ny hitsiny mba tsy hifototra any aminareo, hoy hatrany ny mpitarika ny Hetsika fotsy.
J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT