Iarahantsika mahita ankehitriny ny vokatry ny tolona vita fa ny voka-pifidianana
tsy manara-dalàna dia mbola tsy manara-dalàna foana, hoy ny mpitarika ny Hetsika fotsy, Hary Razafindrazaka. Tsiahivina, hoy izy, fa ny fitakiana natao dia fahafahana maneho hevitra malalaka. Faharoa, fanjakana tan-dalàna. Fahatelo, fananana olom-boafidy lany amin’ny mangarahara, eken’ny rehetra. Tsy feno ny fepetra mahakasika ireo tao alohan’iny sarintsarim-pifidianana ny 16 novambra iny. Mbola tsy feno izany fepetra izany, noho izany, mitohy ny tolona ho an’ny tany tan-dalàna, fifidianana mangarahara, fahafahana maneho hevitra malalaka. Niarahantsika mahita ny fanelanelanana ataon’ny PAN sy FFKM. Vao tsy ela koa ny C11 nametraka ny atao hoe “Cellule de crise”. Manohana izany rehetra izany hatramin’izay ny Hetsika fotsy ary dia mitovy izany hatreto ny fomba fijery. Samy manohy ny tolona daholo fa mila fandinihan-tena kely aloha ny rehetra hoe inona marina no niseho ary ahoana no hanohizana ny tolona? Vazaha izany izao no mitondra ny firenentsika ary nangataka zom-pirenena frantsay izay nanjanaka ny firenena fahizay. Tsy iadian-kevitra raha ny lalàna fa tsy manana zom-pirenena malagasy intsony izy. Izay izany izao no ataontsika hoe filoham-pirenena malagasy. Hanomboka hanaiky ve izany isika fa tsy mampaninona raha vahiny no mitondra ny firenentsika? 84%n’ny malagasy, raha ny fanadihadian’ny FES no tsy mankasitraka hoe olona manana zom-pirenena vahiny no mitondra an’i Madagasikara. Latsaka an-katerena ny firenena ka tsy hijanona amin’izao ny hetsika fotsy. Tsy vita ambony latabatra ny tolom-bahoaka fa tsy maintsy misy vahoaka. Inoana fa efa resy lahatra androany ny maro an’isa saingy tsy ampy fahasahiana. Tsy voatery fahsahiana hidina an-dalambe no resaka. Fahasahiana mijoro, mitsangana, maneho hevitra am-panajana no andrasana. Mirary fety sambatra ho an’ny rehetra aloha ary ny irariana fatratra dia hoe ho teraka ny fahasahiana aorian’izao fety izao, hoy hatrany ny Hetsika fotsy!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.