Politique

Hetsika fitakiana ny “îles éparses” Santatry ny fanonganana ny fanjakana ?


  • Alarobia 06 Janoary 2016

Tena fitakiana ny fialan’ny frantsay amin’ireo nosy eparses ve no tanjona amin’ny fidinana an-dalam-be amin’ny sabotsy sa fanombohana ny fanonganana ny fanjakana Hvm ? Hitarika ny vahoaka hanongana ny fanjakana misy ve ny antoko Otrikafo sy ireo mpiara-dia aminy ?

 

Na hahazo alalana na tsia dia hiantso ny vahoaka tia tanindrazana hidina an-dalambe ny antoko tarihan’Atoa Rajonah Andrianjaka ny sabotsy ho avy izao.Nandritra ny valan-dresaka izay nataon’ireo mpitarika ny famerenena ireo nosy manodidina  an’i Madagasikara teny amin’ny foiben’nyAkfm etsy Andravoahangy dia nanambara ireo mpitarika ny hetsika fa hanao diabe avy etsy Ambohijatovo, mandalo ny kianjan’ny 13 mey Analakely ary hipaka eny amin’ny masoivohon’i Frantsa eny Ambatomena ny mpitarika ry zareo. Nambaran’izy ireo fa tsy hataon’izy ireo ho sakana tsy hanatontosana io fidianana an-dalambe io intsony ny mety ho fanohanana ataon’ny mpitandro ny filaminana. Mazava ho azy izany fa tsymaintsy hisy ny fifandonana satria maha kely finoana ny hanomezan’ny prefektioran’ny polisy alalana azy ireo hanao izany hetsika izany. Sa io fifandonana io mihitsy no tiana ho foronina mba hanozongozonana ny fanjakana misy dia mody ny fitakiana ny « îles éparses » no atao jono ? Na izany na tsy izany dia loza mananontanona ny fanjakana Hvm izay efa mankaloiloy sarangan’olona maromaro ihany izany fidinana an-dalam-be izany. Azo inoana fa na olona mety tsy mahalala akory ny fisian’izany « îles éparses » izany dia mety ho avy hanatevin-daharana io hetsika io raha vao mandre fotsiny hoe fidinana an-dalam-be. Ka na olona leo ny antsojay ataon’ny fanjakana foibe amin’ny kaominin’Antanananarivo Renivohitra na ireo havan’ireo maty mosary any atsimon’ny nosy sy ireo havan’ny maty noho ny hetraketraky ny dahalo, ireo tezitra tamin’ny teritery natao nandritra ny fifidianana Loholona farany teo, ireo kivy amin’ny famotehana ny orinasam-panjakana( jirama sy Air Madagascar) sy ireo velon’alahelo amin’ny fanamparam-pahefana ataon’ireo manodidina ny mpitondra ambony sy ireo leon’ny teny toa mifono fanarabiana amin’ny RRI lazaina fa nahomby kanefa ny vahoaka miha-ory sy mijaly. Ireo rehetra ireo dia ahiana avokoa ny hidinany an-dalambe ka hanatevenan-daharana ity hetsika ity fa dia samy miomana indray izany fa hirefodrefotra ny lakrimozenin’ny mpiaro ny fitondrana e.


Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT