Fahombiazana ny hetsika voalohany nataonay tamin’ny sabotsy, hoy ireo mpitarika ny fitakiana ny famerenana ny « iles éparses » amin’i Madagasikara. Nanapa-kevitra ny hanohy ny fidinana an-dalambe izy ireo anio manomboka amin’ny 10 ora maraina.
Fanombohana ihany iny tamin’ny sabotsy iny, hoy ireo mpitarika ny hetsika fa manomboka izao dia hihamatevina sy hihamafimafy kokoa ny endriky ny fitakiana. Heno ihany koa fa omaly maraina dia efa nivory maika ny mpitondra eto Antananarivo Renivohitra sy ny mpitandro ny filaminana. Tsy nisy nipika ny resaka nandritra ny fivoriana saingy azo inoana fa tsy maintsy voaresaka ny momba ity hetsika kasain’ny fikambanana mitaky ny famerenana ireo nosy malagasy hatao ity. Nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny lapan’i Iavoloha moa ny Filoham-pirenena dia nanamafy fa efa misy ny hetsika ara-politika avo lenta atao mikasika ity fitakiana ireo nosintsika amin’ny frantsay ity. Ny Filoha izay sady nanao tsindrom-paingotra kely ihany nanao hoe maro ny fanjakana nifandimby teto kanefa nahoana no izao vao tena mivaivay ny fitakian’ireo milaza ho tia tanindrazana izay teo foana hatrizay ? Tsy ho fampitahorana fa tranga azo inoana fa mety hiseho ny hivadihan’ity hetsika ity ho korontana mahatsiravina indray satria tsy azo odian-tsy hita ireo tia manararaotra ny hetsika toy izao mba handrobana fananan’olona, indrindra moa fa mahakasika vahiny ity fitakiana ity. Tsy vitan’izay fa mampihozongozona ny fahefana misy koa ny toe-javatra toy izany satria haharatsy sary ny fitondrana eo imason’ny fianakaviambe iraisam-pirenena izany raha tsy voafehy. Iaraha-mahalala rahateo fa misy amin’ny mpanao politika no miandry izany fotsiny mba handrodanana ny rafi-panjakana misy fa miafina ao ambadik’ilay fitakiana izay azo heverina anefa fa rariny sy zon’ny Malagasy tanteraka.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.