Hetsika fanoherana hosoka ara-pifidianana

Ho hitan’ny havany vao misy fifanarahana politika...


  • Alatsinainy 23 Desambra 2024

Ho hitan’ny havany eo izany izay zatra manao fifanarahana politika amin’ity anio alatsinainy ity raha

mbola heno ho noresahina ny faran’ny herinandro teo ihany ny mikasika ny hetsika fanoherana hosoka ara-pifidianana taratry ny mpanohitra tao anatin’izao fifidianana kaominaly izao. Raha ny serasera navoitran’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM ny faran’ny herinandro teo dia hisy izany ny hetsika ho tarihin’izy ireo entina hanoherana izay hosoka sy tsy fahatomombanana tao anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana izay manomboka anio, eto Antananarivo. Isan’ny antoko politika mikambana ao anatin’izay RMDM izay moa ny antoko politika Tiako i Madagasikara na TIM, izay tarihin’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, ary nandrotsaka ho kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo ny zanany, Tojo Ravalomanana, tamin’ny anaran’io antoko io farany teo. Hitarika ny hetsika ve i Marc Ravalomanana satria na tao anatin’ny propagandin’ny zanany aza, na nialohan’ny fotoana io na ara-potoana, dia tena lohalaharana izy? Nampametra-panontaniana ny mpanara-baovao mihitsy aza hoe fa izy sa ny zanany no milatsaka? Ho tahaka ireny ihany ve no ho fahasahiany hijoro hitarika izay hetsika fitakiana ny fahamarinana tamin’ny fifidianana izany sa sanatria mbola hiepoka toy ny fahita tao anatin’izay 15 taona izay fa rehefa any anaty fifandraisan-tanana amin’ny mpifanandrina politika vao hita, mba tsy ilazàna hoe any amin’ny fifanarahana politika?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT