HETSIKA

FANAKORONTANANA


  • Alatsinainy 03 Aogositra 2026

Tsara raha ambaran'ny fanjakana

mazava hoe iza ilay atidoha !
Efa fantatry ny rehetra ihany hoe iza no ao ambadiky ny fanakorontanana misy amin'izao fotoana io hoy ny filohan'ny fanavaozana raha nihaona tamin'ireo Malagasy mila ravinahitra any Ejipta izy herinandro lasa izay. Dia hoy ny antsoantson'ny olona maro taorian'iny hoe : sao dia tsy mitovy aloha ny eritreretin'ny tsirairay avy fa ny tena mety dia manambara mazava ny fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny fiadidiana ny fanavaozana na ny mpitondra tenin'ny governemanta, na ny minisitry ny fitsarana hoe iza marina no ao ambadiky ny fanakorontanana. Ilay halatr'olona sy vono olona sy ilay hoe fanaovana sorona no resaka eto. Ekena hoe nisy fikambanana mpanao fivoriana miafina voatonotonona sy tompon'andraikitra eo anivon'ny Cisco saingy azo antoka fa tsy niasa irery ireny ary matoa averimberin'ireo mpitondra fanjakana amin'izao fotoana ny hoe : efa fantatrareo ihany ny ao ambadik'io fanakorontanana io dia efa misy anarana any izany . Izay ilay marina sy mangarahara anisan'ny notakiana nandritra ny tolon'ny Gen Z sy ny tolon'ny fanovàna natao teto. Tsara hatrany ny mitaiza ny vahoaka amin'ny zava-misy marina mba ialana amin'ny honohono. Tena miandry an'io ny rehetra satria lasa nanakorontana fiainam-piarahamonina mihitsy ilay olona tsy hita tampoka, avy eo hita fa lasa verivery saina, indrisy fa miay ireo efa tsisy aina vao hita ary tao ny novonoina tamina fomba feno habibiana.Etsy ankilan'izay tsapa ihany koa fa misy ireo manao sinema hoe very ka hita indray na manao mody adala....mila fanazavana matotra ireny tranga rehetra ireny hamerina ny fitoniana anaty fiarahamonina izay tena ilaina raha hiroso amin'ilay fikaonandoham-pirenena marina.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT