Efa rakotra mpitandro filaminana an-jatony maro ny teny Analakely sy manakaiky ny lapan’ny tanàna nanomboka omaly tolakandro. Mazava ny tenin’ny Prefen’Antananarivo, ny Jeneraly Ravelonarivo Angelo Christian andro vitsy lasa izay, fa tsy maintsy hosakanana ny famoriam-bahoaka eny Analakely anio.
Nanamafy ny tsy hihemotra kosa ireo depiote 11 TIM sy MAPAR lany teto Antananarivo, hotronin’ ireo namany. Raha mampitandrina an’Atoa Prefe ny tenanay solombavambahoaka, dia mampitandrina azy hiteny fotsiny hoe tandremo anie Tompokolahy hajaina, fa izahay ihany koa dia tompolahy sy tompokovavy hajaina, ka manana zo hiteny amin’ny vahoaka, hoy ny depiote Guy Rivo Randrianarisoa. Tsy hiady aminao, ary samy nosoran-dreniny menaka izahay sy ianareo, fa nosoran-dreniny menaka hiaro fa tsy hanitsakitsaka ny vahoaka akory, hoy izy omaly teny Analakely. Izahay dia ny lalàna no mitondra anay, ny lalàna no asanay,…. Misy ny zo hahafahan’ny tsirairay mandeha na TIM na MAPAR na HVM. Ahoana ny HVM no afaka manao rodobe eny Mahamasina? Nahoana no afaka miditra ny lapan’ny kolontsaina? Ary ahoana izahay no tsy afaka manao izay tianay hatao, hoy hatrany ny depiote Guy Rivo Randrianarisoa. Ahoana ny tany Mahajanga no tsy nisy fanakanana kanefa ny HVM tsy nahazo fahazoan-dàlana? hoy hatrany izy. Voafaritry ny andininy faha-10 ao amin’ny lalàmpanorenana moa ny tokony hanajana ny fahalalahana haneho hevitra, hivory, hivezivezy,… tsy manelingelina ny fahalalahan’ny hafa, na manakorontana ny filaminam-bahoaka,... Samy manana ny fomba handroritany azy io ny andaniny sy ny ankilany. Tsy maintsy tonga eo izahay ireo na inon-kidona inon-kitranga, hoy hatrany i Guy Rivo Randrianarisoa. Nanamafy ny antso avo amin’ny vahoakan’Antananarivo ho avy eny Analakely anio amin’ny 9 ora ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy. Mila antsika rehetra ny firenena, mila antsika tonga eny, hoy izy izay hotrononin’ireo mpiara-dia mampiseho fa tsy hihemotra. Ohatran’ny rano isika miala any Andranomanalina, Ambodin’Isotry, Ankadifotsy,… ary ohatran’ny rano isika miditra eny Analakely hihaino ny solombavambahoakantsika, hoy in Rossy. Io farany io no voizin’ny fanjakana, ka hilazana fa hanakorontana ireo depiote. Efa nametraka fitoriana ireto solombavambahoaka ireto ny alakamisy teo noho ny fanangonan’ny olon’ny fitondrana “gros bras”, ka mety hiteraka fandoroana fiara na fandrobana, araka ny efa nambaran’ny depiote Hanitra Razafimanantsoa.
Hatramin’ny fotoana nanoratana tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany alina, dia efa saika halaina an-kery ny lapihazo eo anoloan’ny lapan’ny tanàna, saingy toa nisy ny tsy nampitovy hevitra ny samy Emmoreg. raha ny fampitam-baovao azo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.