Politique

Hetsika anaty toerana mifefy Norarana ihany koa ny MMM


  • Alakamisy 20 Aprily 2023

Nolavin'ny lehiben'ny distrikan'i Fandriana ihany koa ny hetsika kasain'ny antoko politika Malagasy Miara-Miainga na MMM atao ao amin'ny kaominin’Imito rahampitso zoma 21 aprily.

Araka ny efa nambaranay ny 1 Aprily 2023, hoy ny antoko, dia fomba fanao efa nilaozan'ny toetr'andro tanteraka ny didin'ny be sandry sy ny famerana ny olompirenena haneho hevitra sy hifamory am-pilaminana. Fanohitohinana ny demokrasia ihany koa ny trangan-javatra toy izao. Nalalaka ny filohan'ny repoblika ankehitriny nanao fitetezam-paritra tamin'ny 2018 na dia mbola tsy tao anatin'ny vanim-potoanan'ny fampielezankevitra aza, hoy hatrany izy ireo. «Arène» na toerana mifefy manodidina toa an'Antsahamanitra ilay toerana nangatahana alalana, raha ny fanazavan’ny mponina ao an-toerana. Sady fanaovana fampisehoana na «spectacle» ao. Efa tao ry Jerry Marcos, Ny Ainga, Oladad, Elidiot, Daddy Love sy mpanakanto hafa marobe. Mampametra-panontaniana efa ela moa hoe ilay lazaina fa mpitandro filaminana ve izany, amin’ny maha mpitandro filaminana azy tsy afa hitan-tsoroka na hoe hanao «encadrement» ny olompirenena manao hetsika mihitsy na koa hoe tena miantoka izay fitandroana ny filaminana amina hetsika am-pilaminana izay? Maninona no tsy izay amin’ilay antsoina hoe «sécurisation» no atao fa tsy fandrarana na «interdiction»? Sao dia mila ovaina hoe «mpandrara hetsika» fa tsy «mpitandro filaminana» ilay anarana? Kaominina ambanivohitra no resaka. Ny depiote naha be tsikera ho nanao kabary mivoy fanavakavahana anefa jerena toa mitety tanàna tsy misy bedy? Isan’ny fanontaniana manitikitika ny mpanara-baovao izany amin’izao fotoana izao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT