Miantso hatrany ny hery velona rehetra eto amin'ny tany sy ny firenena sy ny olom-pirenena tsirairay mba hiara-mientana hamongotra ny mety ho antony rehetra tsy hisian'ny mangarahara amin'ny fifidianana ny Hetsikin'ny Olom-pirenena Miady amin'ny Hosoka sy ny Hala-bato
amin'ny Fifidianana na HOM2HF na MCFIE (Mouvement des Citoyens Contre les Fraudes et Irrégularités Électorales), ary mampanantena fa ho avy tsy ho ela any amin'ny faritra tsirairay araka ny fangatahana maro mba hametrahana ny rantsa-mangaikan’ny hetsika eny ifotony. Tsy ny hanemotra ny datim-fifidianana akory no tanjona raha nangataka ny fanatsarana izahay fa ny hanavaozana sy ny hanitsiana manokana ny lisi-pifidianana isan'ireo tolo-kevitra lehibe nivoaka tamin'ny fivorian-dehibe fakan-kevitra nataonay teto Antananarivo tao amin'iny Hotel Carlton ny 15 lolay sy tany Toamasina ny asabotsy faha 03 aogositra lasa teo tao amin'ny Hotel Calypso, hoy ny MCFIE. Raha tamin'ny fotoana nanambaranay ho ren-tany an'io tolo-kevitra io no nandray andraikitra avy hatrany ny mpitondra dia azo antoka ny tsy nihemoran'ny datim-pifidianana, hoy izy ireo. Nisaotra ny Filoha anefa ny MCFIE na izany aza tamin'ny valan-dresaka nataon’ity farany ny 06 aogositra teo mahakasika ny fifidianana kaominaly, izay manaporofo fa misy hafatra tafita ihany. Nomarihin’izy ireo anefa fa tany alohan'ny namoahan’ny HCC ny vokam-pifidianana solombavambahoaka dia efa afaka nihevitra ny fanitsiana manokana ny lisi-pifidianana ny mpitondra nanoloana ny fanahian'ny “collectif des candidats” nivory teny amin’ny Live Hotel Andavamamba ny 13 jona. Nampanahy azy ireo ny fihetsiky ny filoha ny ampitson’ny fifidianana dia ny 28 mey tany Frantsa nilaza sahady fa mpandresy nahazo depiote maherin’ny 80 ary io tokoa ny vokatra havoakany ny CENI sy ny HCC na dia hafa sy tsy mitovy amin'izany aza ny hitan'ny vahoaka tany amin'ny birao fandatsaham-bato, ka antony lehibe nanaovana tolo-kevitra hanovana ny mpikambana ao amin’ny CENI fa efa tsy itokisan'ny vahoaka intsony, hoy ny MCFIE. Maniry sy manantena ny MCFIE fa tsy misy tetika na zavatra hafa ny ambadika ny fanemorana fifididianana fa mba hanintsiana ny lesoka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.