Politique

Hetsi-panoherana ny hosoka ara-pifidianana “Tsy misy mpitondra nangala-bato haharitra eo”


  • Talata 10 Septambra 2019

Mbola mitaky hatrany ny hitondran’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenena fanazavana sy porofo ny maha tsy mitombina ny fitoriana miisa 684 nandritra ny fifidianana solombavambahoaka farany teo ny Hetsiky ny Olom-Pirenena Miady amin’ny Hosoka sy Hala-bato amin’ny Fifidianana na ny HOM2HF tarihin-dry Rakotomalala Henri.

 

 

 

 Mitohy ny tolona  satria maro ny tsy fanjariana na tamin’ny fifidianana filoha na tamin’ny fifidianana depiote, ary ny fitantanana ny firenena, hoy izy ireo omaly. Ankehitriny dia hiroso amin’ny fifidianana ben’ny tanàna indray, izay zara raha misy kandida 32 monja hatramin’ny omaly, kanefa fotoana vitsy tsy hahataperan’ny fe-potoana satria tsy mahatoky ny fahadiovan’ny fifidianana  ny olona, matahotra hala-bato, hovaina ny safidim-bahoaka,… hoy izy ireo. Mitaky hatrany ny fanadiovana ny lisi-pifidianana, fanovana ny mpikamban’ny HCC, tsy fitanilan’ny HCC,... aloha izy ireo. Nomarihin’ny HOM2HF fa toa samy hafa ny baiko amin’io resaka lisi-pifidianana io satria ny teto Antananarivo nisy ny fikitihana madinidinika, raha toa ka tsy nisy an’izany tany amin’ny faritra. Roa amin’ireo faritany 6 sisa tsy notetezin’izy ireo nananganonana ny porofo tamin’ny hosoka sy zavatra tsy rariny. Milaza ny handray fepetra hentitra izy ireo, raha minia be marenina ny mpitondra, izay ambarany fa mirehareha ho manana ny maro an’isa tamin’ny alalan’ny hosoka. Maro ny fitondrana nifandimby teto fa tsy mbola nisy fitondrana lany tamin’ny hala-bato naharitra teo izany, hoy ny HOM2F.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT