Politique

Hetsi-bahoaka ho an’ny fanovana Sarotra ho an’ny HVM ny hampangiana azy


  • Alarobia 02 Mey 2018

Tsy mandaitra intsony ny vono afon’ny fanjakana eo anatrehan’ny zava-misy. Miha matanjaka ny herim-panoherana mitaky ny hialan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina.

Efa tena mikatso ny raharaham-pirenena, indrindra taorian’ny famoahana ny mpiasa tamina sampandraharaham-panjakana isan-tsokajiny nanomboka ny alatsinainy lasa teo, ka namoahana ny mpiasan’ny Jirama, ny Analogh, ny mpiasa teo anivon’ny antenimieram-pirenena, ny tao amin’ny minisiteran’ny Fizahantany, minisiteran’ny fampianarana ambony, Prefektiora, ny fitantanana ankapobeny ny volam-panjakana,… Porofoin’ny fanjakana fa manomboka tsy manan-kianteherana intsony, ka ny samy mpitondra aza efa toa mitady izay lalan-kivoahana.Ary mbola voaporofo nandritra ny hetsika nanamarihana ny 1 mey fetin’ny asa omaly fa efa manohana ny hetsiky ny depiote ho an’ny fanovana izay mitaky ny fametraham-pialan’ny filoham-pirenena ireo sendika maro be  misy eto amin’ny firenena. Rakotr’olona niaraka tamina fanamiana miloko sy sorabaventy isan-karazany milaza ny maharary ny mpiasa sy ny tsy fankasitrahana intsony izao fitondrana izao ny arabe niainga teny Mahamasina namakivaky an’Anosy, Ambohidahy ary nifarana teo amin’ny kianja 13 mey omaly.Mbola hitohy ny hetsika anio ka tanjona ny fitokonana faobe hampikatsoana tanteraka ny raharaha rehetra mba hanaporofoana fa efa tsy mahafehy na inona na inona intsony izao fitondrana izao, hoy ireo mpitarika sendikaly omaly. Tsy misy mijanona intsony, ary izay ilay hoe dokotera aorian’ny fahafatesana, hoy ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa teny amin’ny Kianja 13 mey omaly. Ny resaka fanelanelanana sisa no hianteheran’ny fanjakana, saingy io iaraha-mahita io fa mikatso hatreto. Hita ho mihena isan’andro ny herin’ny filoham-pirenena sy ny fitondrana HVM amin’ny ankapobeny ary mibaribary be fa maro ny zavatra efa tsy voafehin’izy ireo intsony. Etsy an-kilan’izay dia efa tena mafana sy mahasarika olona maro be ihany koa ireo hetsika any amin’ny faritany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT