Miha miharihary ankehitriny fa efa nahantra ary miha mahantra olona ny antoko naorin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina tamin’ny taona 2013 na ny Hery vaovao ho an’i Madagasikara.
Ireo mpanao politika izay efa nanamarika ny fambolena krizy teto amin’ny firenena sy ny mpanao politika tsy hita tabilao sy tsy dia manana hery politika intsony dia saika tazana tetsy amin’ny Carlton Anosy daholo nandritry ny fivorian’ny mpanohana ny HVM ny alakamisy teo. Anisan’izany ny ben’ny tanànan’i Mahajanga teo aloha, Claude Pages, ny filohan’ny antoko TGV teo aloha, Lanto Rakotomavo, ny filohan’ny RPSD Vaovao, Voninahitsy Jean Eugene, Ny mpikamban’ny antoko Tiako i Madagasikara teo aloha, Yves Aimé Rakotoarison, izay nivadika moa taty aoriana ary nanangana antoko TIM hafa niaraka tamin’ilay antsoina hoe Tim Raharinaivo sy izay tsy voatanisa. Raha fintinina, saika ireo mpanao politika efa reraka na ireo dinozaoro politika sisa no mialokaloka ao amin’ny antoko HVM amin’izao 9 volana tsy hirosoana amin’ny fifidianana izao. Mpanao politika nampianatra ny fivadibadihana palitao teo amin’ny tantaran’ny fanaovana politika malagasy ka nahatonga ireo manampahaizana sy teknisianina tsy hahita soritra loatra hoe iza tamin’izy ireo no mba mendrika ny antsoina hoe « Homme d’Etat » na mpitondra mendrika. Mbola te hamerina fomba fitantanana nampahantra tao anaty 26 taona talohan’ny 2002 indray ve ny HVM ka aleony miantso dinozaoro politika hafa hanampy izay efa ao an-dapa ? Anisan’ny mbola akaiky sy miray donak’afo amin’ny filoham-pirenena rahateo ilay andrarezina nanamarika ireo fanonganam-panjakana nifanesy teto, Norbert Lala Ratsirahonana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.