Hery Vaovao

> Na kandida depiote iray aza tsy ananany


  • Alarobia 27 Novambra 2013

Na kandida solombavambahoaka iray aza tsy ananan’ny fikambanana Hery Vaovao izay nanolotra an’i Hery Rajaonarimampianina ho kandida filoham-pirenena.

Koa mipetraka eto ny fanontaniana : hiantehitra amin’iza sa hiantehitra amin’inona i Hery Rajaonarimampianina raha sanatria ka izy no voafidy ho filoha ? Ny lalàmpanorenan’ny Repoblika fahefatra mantsy dia mametraka mazava tsara fa mivoaka avy ao amin’ny maro an’isa eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny Praiminisitra. Ny lojika ao anatin’izay raha tena te hanatanteraka ny vinam-piarahamoniny sy ny fandaharanasany izay nampahafantariny ny vahoaka nandritra ny propagandy ny kandida iray, dia tsy maintsy manana ny maro an’isa ao amin’ny Antenimieram-pirenena izy ary olona mitovy firehan-kevitra aminy, mivoaka avy ao amin’io maro an’isa io no praiminisitra. Ny Dr Robinson Jean Louis natolotry ny Avana  sy ny ankolafy Ravalomanana izao, ohatra, dia manana kandida solombavambahoaka manodidina ny 120, raha toa ka 151 no toerana eny Tsimbazaza. Fa mba ahoana kosa ny an’ny kandidan’ny Hery vaovao ? Sa hampiasa fomba fanaovana politika hafahafa indray raha toa ka mahazo fitondrana eo ? Ekena mihitsy fa misy ilay vovonana lehibe miara-dia amin’ny filohan’ny tetezamita izay nanolotra kandida solombavambahoaka mandrakotra ny Distrika rehetra eto Madagasikara, efa azo sary an-tsaina ihany fa mety hiara-dalana amin’i Hery Rajaonarimampianina izy ireo.

Tsy izay no olana fa ilay tsy fanambarana ny tena marina hatrany am-boalohany. Ary mba tokony hisy ihany koa ny fanajana ny farafahakeliny amin’ny etika fanaovana politika, dia ny hoe tsy maintsy manana kandida solombavambahoaka ny antokoa na fikambanana iray efa nanolotra kandida filoham-pirenena. Ny mampatahotra amin’ity raharaha ity mantsy, raha toa heverina fa lany filoham-pirenena Atoa Hery Rajaonarimampianina dia tsy fantatra mazava ny solombavambahoaka miaraka aminy, na manohana ny fitondrana. Tena foto-kevitra marina ve ilay izy sa sanatria hiparitaka be eny Tsimbazaza eny indray ny vola be rehefa raikitra ny fandaniana lalàna ? Miendrika tsy fahamatorana ara-politika ihany izao fihetsiky ny Hery Vaovao izao? Tsy nanolotra kandida solombavambahoaka kanefa mahafantatra tsara fa ny maro an’isa eny amin’ny Parlemanta no hanendry ny praiminisitra. Raha politika avo lenta indray no natao dia tsy mety ihany satria nahoana no fitahana ny vahoaka ? Lazaina fa vaovao mihitsy ilay kandida, kanefa ny olona efa nanao ny tsy mety sy nandroba ny harem-pirenena nandritra ny tetezamita ihany no miara-dia aminy.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT