Politique

Hery Tosiky ny Tolona Mitaky ny hivoahan’ny marina rehetra


  • Zoma 14 Oktobra 2011

“Avoahay ny marina, ampandefero ny hambom-po, foano ny fitiavan-tena !”, hoy ny Hery Tsosiky ny Tolona na HTT.

 Takian’ity vondrona ahitana fikambanana am-polony, miara-dia amin’ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana ity ny hamoahana ny marina rehetra momba ny fanodinkodinana ireo harem-pirenena eto Madagasikara, anisan’izany ny andramena tany Maorisy sy Kaomoro sy ireo hafa, ireo vato sarobidy sy volamena maha voatonontonona anaran’olona maro. Tokony hatao mialoha ny fametrahana ireo rafitra tetezamita vaovao mba tsy hahadiso fijery ny rehetra izany, hoy ihany ny HTT. Takian’ity vondrom-pikambanana ity koa ny hamoahan’ny SADC ny lasitra, araka ny lalàna amin’ny alalan’ireo tolo-kevitra na fanitsiana efa nalefa nataon’ireo vondron-kery isan-tokony ho fampiharana ny tondrozotra vita sonia.

Ankoatra ireo dia takian’ny HTT koa ny hamotsorana tsy misy hatak’andro ireo gadra politika sy ny fampodiana ireo sesitany ny tenany noho ny raharaha politika hiara-kandray anjara amin’ny fananganana ny Repoblika fahefatra. Toy ny Malagasy rehetra dia mahamaika ity vondrom-pikambanana ity koa ny hivoahana haingana amin’izao krizy izao amin’ny alalan’ny fampiharana ny fifanarahana nosoniavina sy ny tokony hifanatonan’ireo mpisehatra politika mba hijery izay marimaritra iraisana momba ny fampiharana ilay sori-dalana. Ao anatin’izany ny fametraham-pialana hataon’ireo rehetra teo aloha isaky ny andrim-panjakana mialoha ny hananganana haingana ireo rafitra iaraha-mitantana ao anatin’ilay tetezamita vaovao tena izy.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT