Politique

Hery Rasoamaromaka “ Izay tsy manao ny asany dia esory ”


  • Talata 13 Septambra 2022

Ankoatra ny firesahany ny ady tany etsy Faravohitra izay nilazany sy nanitrikitrihany fa tsy nanao izany izy ary milaza fa vonona hametra-pialana raha mitombina izany,

dia naneho ny governoran’Analamanga Hery Rasoamaromaka omaly momba ny fitantanana firenena hoe: izay tsy manao ny asany esory. Nanaitra ny filazany fa “ ny 4 martsa 2025 aho dia “bye bye politika”,… Azo raisina ho fitsaharana ara-politika io? Governora iray no manao ny tsy mety, ny rehetra no miara-maloto, dia miteny aho hoe: miasà tsara, aza manararaotra, misy olona nametraka teo, misy vina napetraky ny Filoha, hoy ny governoran’Analamanga? “Amin’ny maha sekretera nasionalin’ny antoko ahy, miasà tsara, raha ny olona hafa ve no manana governora 23 tsy handroso isika, ka tokony ho tonga saina, ny Faritra Analamanga manao izay ho vitany,… Fa rehefa misy manao ny tsy mety, tsy ny governora ihany fa na minisitra na tompon’andraikitra ara-panjakana samihafa dia tokony hiala daholo. Ny fitondrana mandalo, miezaka manao asa, mba nisy kely vitako ihany mitaha amin’ny hafa. Tokony mihaino ny mpanohitra ihany koa izahay rehefa miteny”, hoy ity olom-boatendry ity. Raha mikasika ireo governora manokana, betsaka no voatonontonona amina raharaha hafahafa, indrindra fa ny fitantanana volam-panjakana, ny kolikoly,… saingy sady tsy mametra-pialàna ilay voatonotonona no tsy manaisotra azy ny olona nanendry. Ny olom-panjakana ambony hafa ihany koa betsaka ny dosie maloto, fa amin’ny ankapobeny toa mipirina avokoa, mety miandry fitondrana manaraka angamba ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT