Andrasana anio ny fanendren’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana izay hisolotena azy ao amin’ny vaomieram-pirenena mikarakara ny fifidianana na ny CENI. Hameno ho 8 ny mpikambana izany ary dia hirosoana avy hatrany ny fananganana ny birao fa tsy hiandry izay ho solontenan’ny antenimierandoholona intsony. Ireo mpikambana 8 ihany no hifidy tsirairay ny birao ary izy ireo dia samy ho mpikambana ao fa ny andraikitra fotsiny no samihafa satria misy ny ho filoha, ao ny filoha lefitra ary misy ny mpampaka-teny.
Araka ny tsiliantsofina re dia tsara toerana ho lasa filohan’ity CENI vaovao ity Atoa isany Hery Rakotomanana sy Thierry Rakotonarivo. Ny voalohany dia mpisolovava ary efa nitantana ny CENIT tapany voalohany nikarakara ny fitsapan-kevi-bahoaka nandaniana ny lalàmpanorenan’ny repoblika faha-4. Ny faharoa kosa administratera sivily, mitarika ny hetsik’ireo mpiasam-panjakana ambony fony tetezamita, voatendry ho sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny atitany avy eo. Misolotena ny antenimieram-pirenena moa izy ao amin’ny CENI ankehitriny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.