“Tsy azo ihodivirana ny fanavaozana ny lisi-pifidianana”, hoy i Hery Rakotomanana, filohan’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI).
Raha tsiahivina, anisan’ny niteraka resa-be hatrany tamin’ny fiatrehana fifidianana nifanesy ny olana lisi-pifidianana nampiasaina. Ny tsy fitoviana ny firaketana teo anivon’ny CENI sy teny amin’ny fokontany no niteraka fimenomenomana teo amin’ny ankamaroan’ny mpifidy. Sarotra no hiroso amin’ny fanavaozana io lisitra io ary hisy akony amin’ny tetiandro manaraka hiatrehana fifidianana. Raha tazomina ho 28 oktobra ny datin’ny fifidianana ben’ny tanàna dia tsy ho vita ny fanavaozana lisi-pifidianana. Ny CENI kosa amin’izao fotoana dia manao ezaka fanatsarana ny lisitra mba hamahana ny savorovoro amin’ny hoe tsy hitan’ny olona ny toerana andehanany hifidy raha tamin’ny fifidianana solombavambahoaka. Izany no tranga nisy teo, hoy izy. Amin’izao, hisy ezaka hamantarana ny olona tokony ho tonga raha mandeha ny kaominaly. Nohamafisiny fa raha hanao fanavaozana ny lisi-pifidianana dia mitaky fanemorana ny fifidianana izany. Mahakasika ny tetibola ampiasaina amin’ny fifidianana kaominaly dia mbola hifanatonana amin’ny minisiteran’ny vola ny CENI raha raisin’ny fanjakana ilay didim-panjakana miantso ny olom-pirenena hifidy. Amin’io fotoana io no ahafahana mamaritra ny vola holaniana, indrindra ny fangaraharahana, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.