Tsy misy andro iray ka tsy handrenesana ny fahasosorana sy fimenomenoman’ny olona momba ny fitondrana tantanan’i Hery Rajaonarimampianina, fa ny tena misongadina sy re amin’ny adihevitra etsy sy eroa dia ny hoe :
tsy misy mihitsy ny asa mivaingana vita momba ny sosialim-bahoaka, be kabary sy mivoaka matetika any ivelany ny mpitondra ary lasa manankarena tampoka daholo.Maro amian’ireo mpiara-miasa akaikin’ny filoha sy ireo manodidina azy no voatonona amina resaka afera maizina sy fanaparam-pahefana, tsy misy mihitsy anefa mba fanampim-panazavana azo na fanapahan-kevitra hentitra noraisina fa dia mangina ny ao an-dapa.Raha efa nanazava ny momba ny zanany lahy taorian’ny naha voatonotonona azy momba ny aferana boaderôzy ny filoham-pirenena, dia mangina kosa manoloanany resabe momba an-dRamatoa vadiny, izay malaza fa tena tahaka ny filoham-pirenena faharoa mihitsy ao an-dapa ao.Tsy mahafantatra ny tena zava-isy marina ve ny filoham-pirenena sa voafahan-dalitra no tsy mihetsika ? Izy izay « expert comptable » ary manampahaizana momba ny toekarena sy ny vola ve dia tsy mahafantatra fa misy zavatra tsy milamina ataon’ireo olona manodidina azy sy ny mpitondra ambony sasany ireo.Ny resaka mandeha momba ny afera maizina sy fanangonan-karena ataon’ny tandapa sasany io mihitsy anefa no mahatezitra ny olona amin’ity fitondrana ity ary tsy hahatokisan’ny mpamatsy vola azy koa hatramin’izao .Miandry izay ho kabarin’ingahy filoha amin’ny zoma ny rehetra :mba hisy ventiny ve sa resabe mandany jiro indray sanatria.Lasa ihany ny eritreritra indraindray hoe :sao dia efa tsy afaka manavaka ny mety sy ny tsy mety intsony aza ny filoha Rajaonarimampianina ka izay no antony tsy hitenenany sy tsy hanapahany hevitra mazava.Mbola tena mahatalanjona ny maro mantsy hatramin’izao ilay fahasahiana nilaza fa ho foanana ao anatin’ny telo ka hatramn’ny enim-bolana ny delestazy eto Madagasikara, izay zavatra efa fantatra fa tsy ho tanteraka mihitsy satria fohy loatra io fe-potoana io, ny asa anefa goavana sy mankadiry, ny vola anefa tsy misy.Ka nahoana no miteniteny foana tahaka izany ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.