Hery Rajaonarimampianina

« Very hasina ny fahalalahana sy ny soatoavina »


  • Alarobia 22 Novambra 2023

Mahamenatra ny zava-misy ankehitriny eto Madagasikara.

Ny fahafahan'ny olom-pirenena tsirairay mihitsy no voatohintohina, ilay fifampitondrana eny amin'ny fiarahamonina mihitsy no ezahina simbaina, hoy ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina eo anatrehan’ny fanakanana ny fiarahana manao fanateram-boninkazo ataon’ireo vehivavy maro ho fanomezam-boninahitra an’i Ninie Donia. « Eto Madagasikara irery ihany no ahitana izany hoe : "Voarara ny mametraka fehezam-boninkazo ho fahatsiarovana olona nodimandry.". Ankoatra ny politika, aoka tsy ho adinoina fa olona mandala fihavanana sy tena manaja fatratra ny fiarahamonina ny malagasy, tsy mifanary na an-kafaliana na an-karatsiana fa mifanohana hatrany », hoy i Hery Rajaonarimampianina. Maro, hoy izy, no maniry hanao veloma farany an'i Ninie Donia, saingy iaraha-mahita ny elanelan-tany; ka ny fametrahana fehezam-boninkazo eny Ambohijatovo no endrika anehoan'ireo fikambanam-behivavy ny fiaraha-miory amin'ny fahalasanan'ity vehivavy mahery fon'ny Firenena ity, saingy izao sakanana noho ny resaka politika izao. Very hasina ny fahalalahana, very hasina ny soatoavina malagasy. Tsy azontsika ekena izany, hoy io Filoham-pirenena teo aloha io naneho ny heviny.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT