Aza mamaly herisetra amin’ny herisetra, aza mamaly fankahalana ny fankahalana,
aza mamaly tsy fitiavana ny tsy fitiavana , aza mamaly basy ny basy...", hoy ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina manoloana ny raharaham-pirenena. Naneho fa raha nisy ny ratsy na toetra tsy mendrika natao azy, dia tsy voatery hanao tahaka izany. Nampiavaka ahy ny tsy famaliako ireo tsikera natao ahy, nilanjan’ny olona vatapaty sy nolazaina fa « ressorts » ny tenako saingy tsy namaly izany aho satria izay ilay demokrasia ary mety tsy matory sy tsy milamin-tsaina ireny olona nanao ireny zavatra ireny. Hitondra filaminana sy fitoniana eto amin’ny firenena ny fanajana ny demokrasia, raha mamaly ireo fanaratsiana atao amin’ireo mpitondra dia lasa mampahantra ny firenena izany ary tsy mitondra ho any amin’ny fampandrosoana, hoy hatrany i Hery Rajaonarimampianina. Nanambara hatrany ity filoham-pirenena teo aloha ity hatrany fa tsy hamerina ny zavatra toy ireny izy sy ny mpanara-dia azy na misy ireo mitady fomba hanaratsiana ny mpanohitra ankehitriny. Raha tsiahivina, nialohavana sakoroka politika ny fifanaranan’ny fitantanan’i Hery Rajaonarimampianina ny Firenena, rehefa nandeha ny ahiahy amin’ny kajikajy politikasa mihafa nialohan’ny fifidianana 2019. Nanambatra hery ny TGV sy ny TIM nitrongisana ny Fanjakana HVM, ka nisian’ny sakoroka niteraka faty olona tao anatin’ny fihetsiketsehana ny aprily 2018 notarihin’ny depiote 73. Niafara tamin’ny faharavan’ny governemanta sy faharesen’ny HVM tamin’ny fifidianana filoham-pirenena, ka nialan’i Hery Rajaonarimampianina tao anatin’ny filaminana, raha saika sakoroka hatrany ny fifandimbiasam-pahefana teto tamin’ny ankampobeny, afatsy ny azy sy ny an’ny Pr Zafy Albert rehefa tratry ny « empêchement » tamin’ny taona 1996,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.