Politique

Hery Rajaonarimampianina Tsy mahatoky tena intsony


  • Alatsinainy 09 Aprily 2018

Manatona sy manakaiky ny fifidianana filoham-pirenena. Na dia tsy nilaza tamin`ny fomba ofisialy ny filoha am-perinasa, Hery Rajaonarimampianina, ny filatsahan-kofidiana amin`ny fifidianana izay ho avy dia efa miomana amin`izany ireo eo anivon`ny antoko HVM.

Fomba fanaovana politika nifandovana teto amin`ity Madagasikara ity ny fisehosehoana. Tonga amin`izay ny fitokanana etsy sy eroa na inona na inona tokanana amin`io fotoana io ka hisisika hijoro ho hitam-bahoaka rehefa fotoam-pitokanana toy ireny ny mpitondra. Hita taratra fa izay asa atao rehetra eto Madagasikara dia toa mifono paik`ady politika entin`ny mpitondra handaniana izay ho kandidan`ny antoko HVM amin`ny fifidianana. Nandritra ny fitokanana ny toerana fandidiana tao Sakaraha, hita ihany fa maloka ny endriny ny filoham-pirenena ary toa lasam-borona mihitsy. Mihevi-tena ho mafy be angamba ny tenany kanefa vao nandre fa hisy ny fiarahan`antoko dia toa nivalomainty. Nivatravatra ny tenany raha nanontanian`ireo mpanao gazety ny fiainam-pirenena. Nambarany fa tsy maintsy misy foana ny manakorontana satria izay no heveriny fa hahatongavana eo amin’ny fitondrana. Misy anefa ny demokrasia ary izay no tokony harahin’ny rehetra. Kanefa dia tsy ahitana taratra ny demokrasia sy ny fahafahan`ny rehetra mirotsaka hofidiana fa fanilihana io lalàna io. Midika izany fa tsy fahatokisan-tena avy hatrany no fahitan`ny mpanara-baovao izany.  Ny depiote rahateo tsy miraharaha firenena intsony fa baikon’ny vola ihany ary efa maro ny fandaniana lalàna tao Tsimbazaza tao ka nitenenan’ny haino aman-jery ny antsoina hoe “malety” na ny vola be entina hividianana ny depiote. Ny senatera moa dia io efa iaraha-mahita io fa saribakolin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ka manao izay baiko apetrany. An’ny antoko Hvm tokoa ny fitondrana ka manao ny fomba rehetra hitazomana izany indray amin’ny ireo fifidianana manaraka. Iaraha mahita ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana ataon’izy manerana ny Nosy.  Efa mibaribary anefa ny tsy fetezan`ny raharaham-pirenena ankehitriny satria mirongatra ny tsy fandriampahalemana, mamely ny fahantrana, fanjakana tan-dalàna lasa fanjakan`i Baroa, lapan`ny demokrasia niova ho lapan`ny kolikoly, mitroatra ny ankamaroan’ny sehatra samihafa fa manampin-tsofina ny mpitondra. Miharatsy isan`andro ny toerana misy an`i Hery Rajaonarimampianina eto amin`ny firenena ary mitady fomba hahazoana ny fon’ny vahoaka ny mpitondra ankehitriny.


Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT