8 taona lasa izay, raha ny voalazan’ireo olona nifanerasera tamin’ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, tamin’ny fotoan’androny dia olona tso-piaina, nahay nifandray aman’olona, nivavaka sy tena natahotra an’Andriamanitra ny lehilahy.
Mpampianatra toekarena koa moa izy. Iza moa no nanampo taty aoriana fa ho vitan’ity lehilahy ity ny hampanantena poakaty ny Malagasy hoe 3 volana dia voavahantsika ny fahatapahan-jiro lavareny nony lasa filoham-pirenena izy, 4 taona lasa izay ? Vao nikabary voalohany tamin’ny maha filoham-pirenena azy fotsiny dia efa tena naharihariny mihitsy fa tsy niomana ny ho filoha izy satria dia kabary dika mitovy tamin’ny an’ny filoha frantsay teo aloha no notontosainy teo Mahamasina ny 25 janoary 2014. Tsy famitaham-bahoaka sahady moa ve izany ? Isan-taona dia mihemo-daharana hatrany isika amin’ny ady amin’ny kolikoly. Zava-doza ny tsy fandriampahalemana manerana ny nosy. Efa sehatra iraisam-pirenena izao no manome tarehimarika maneho fa anisan’ireo firenena 5 mahantra indrindra maneran-tany isika kanefa dia mbola sahiny ny niteny teny Iavoloha nandritry ny fifampiarahabana noho ny fahatrarana ny taona ny 5 janoary 2018 fa tohin’ny fisandratana mirindra tamin’ny taona 2017 no hitranga amin’ity taona ity. Tsapan’ny vahoaka malagasy tokoa ve izay fisandratana izay sa fiheboheboan’ny filoham-pirenena no lasa nihoa-pampana ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.