Nandrasan’ny rehetra ny fanambarana hivoaka tao anatin’ny filan-kevitry ny minisitra omaly tolakandro teny Iavoloha notarihin’ny filoham-pirenena, taorian’ny diany tany Toamasina.
Raha fanambarana maneho, fa misokatra amin’ny fifanantonana sy fiaraha-midinika no nandrasan’ny rehetra, dia toa ny mifanohitra amin’izay no niseho. Mbola notondroin’ny filoha ho fiantsoana vahoaka hikomy ny hetsika tarihin’ny depiote. Nambara fa tetikady hoenti-mandatsaka ny firenena ao anaty krizy lalina, izay efa nitarika famoizana ain’olona. Niantso ny vahoaka tomponandraikitra rehetra ho tony sy tsy hanan-tahotra eo anatrehan’ny fandrahonana, fandrahonana ara-tsaina,… indrindra ny hita anaty tambajotra ara-tsosialy i Hery Rajaonarimampianina. Miantso ireo ekipany tsy hikorapaka, ho mailo ary hijoro hanatanteraka ny andraikiny sy hifantoka amin’ny fampandrosoana, ary nambara fa zava-dehibe ny fitoniana hahafahana miroso amin’ny fifidianana malalaka, mangaraharaha amin’ny fiafaran’ny taona. Aty amin’ny lalàna aza dia efa niteraka savorovo tsy hifankahitana, ary izao no naterany noho ny nafitsoky ny mpitondra, ka toa mivoaka miditra sy tsy hita. Nanatanteraka dia tany Toamasina ny filoha sy ekipany maromaro omaly. Maromaro ny fandaharam-potoanany, saingy tsy tanteraka avokoa noho ny toe-draharaha mafana, ary efa tonga any an-toerana ny fitakiana sy fanehoana ny tsy fankasitrahana ny filoha. Ny fametrahana ny vato fototry ny fanitarana ny seranantsambo, izay niarahany nametraka tamin’ny masoivoho Japonais ihany no tanteraka. Niomana tamin’ny hetsi-panoherana sy fanehoan-kevitra noho ny fidangan’ny vidim-piainana, ny vidin-jiro,… ny olona. Nandeha angidim-by niala teny amin’ny seranam-piaramanidina Ambalamanasy mihazo ny seranantsambo ny filoha nandroso sy niverina satria natahotra angamba. Nandritra io diany io no nilazany, fa mpitari-tafika ny filoham-pirenena fa tsy mpitari-tafika nandatsa-drà. Miantso ny rehetra hanohitra ny fanonganam-panjakana, hoy I Hery Rajaonarimampianina. Fa iza izany no tompon’antoka tamin’ireny rà mandriaka tamin’ny sabotsy ireny? Hatobaka any amin’ny Praiminisitra sa ny Prefen’Antananarivo sa Minisitry ny fiarovana ny rihatra? Izy aloha no filoha Faratampon’ny foloalindahy ary efa voasokajy ho fanjakana mihosin-drà ny fanjakany na inona na inona hambara.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.