Politique

Hery Rajaonarimampianina Miainga tsimoramora ny serasera


  • Talata 20 Jona 2023

Azo lazaina ho samy manao ny fihetsiketsehany avy ankehitriny ireo lehibena antoko izay sady heverina fa mbola isan’ny ho kandida filoham-pirenena manaraka eo.

Ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, sy ny mpifanandrina mivantana amin’ny tao anatin’ny 14 taona, Marc Ravalomanana, moa izany ao anatin’izay. Heverina ho lehilahy fahatelo ny mpitarika ny Mihava tour, Siteny Randrianasoloniaiko, izay tena miezaka mamita fitetezam-paritra faran’izay zokiny amin’izao fotoana izao. Etsy ankilany koa anefa dia tsikaritra ho miainga tsimoramora ny seraseran’ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, amin’ny alalan’ny fanentanana fohy sy an-tsary isan-karazany eny amin’ny tambazotran-tserasera eny. Ankoatry ny fitsidihako ireo trano eva isan-karazany teny amin'ny ITM na «International Tourism fair Madagascar», hoy ny tatitra nataony niaraka tamina fanehoana an-tsary maro omaly, dia isan'ny nanamarika sy nahafaly ahy ny nifankahita sy nitafatafa taminareo malagasy mpiray tanindrazana amiko. Hatreto, na izany na tsy izany, mbola tsy hita loatra aloha ilay tena hoe tsy ampoizina anatin’ny fihazakazahana hianika etsy amin’ny sezan’Iavoloha sy Ambohitsirohitra ity fa dia mafampana aloha ny toe-draharaha saingy ny hirariana kosa anefa dia ny tsy hisian’ny mampanahy hatrany rehefa akaiky fifidianana toy izao dia ireo tranga heverina fa efa tokony ilaozan’ny toetr’andro sy ny firenena amin’izay dia ny rotaka sy gidragidra na koa ilay nantsoin’ny amiraly fahavelony hoe rombo sanatria.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT