« Raha maty aho, matesa rahavako, raha maty rahavako, … matesa ny omby… », sombiny amin’ny tsilaolaonteny malagasy iray izay mifono ny fahendren’ny Ntaolo mikasika ny atao hoe firaisankina sy fifampitsinjovan’ny mpiray donakafo fahagola io.
Raha ny lojika dia tokony ho toy izany no kolontsain-kendrim-piarahamonina asehon’ny filoham-pirenena sy ny governemanta rehefa tojo toe-draharaha mafampa toy izay mahazo ny fitondrana ankehitriny. Toy ny tonga amin’ilay fitenenana hoe nilaozan’ny omby niahaka anefa ankehitriny ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, satria dia hita ho tena miady irery fa tsy hita daholo ireo mpanasohaso ny fitondrana HVM hatramin’izay. Na ireo minisitra miisa 31 na ireo mpikambana HVM samy tsy nisy nandrenesam-peo hatreto. Aiza ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, izay sady mpahay fiarahamonina ? Ny minisitry ny sera ? Ny minisitry ny fahasalamana sy ny hafa rehetra ? Na ny minisitry ny fizahantany, izay nilaza teo aloha aza fa tsy mbola hikitika resaka politika aloha dia nahagaga fa tamin’ny anaran’ny antokony no nanehoany hevitra fa tsy tamin’ny naha minisitra azy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.